Tsy manohitra ny fisian’ny fifanarahana ny antoko Ny Fireneko, hoy ny filohany, Paul Rabary, raha izay no lalana mankany amin’ny fitoniana sy tsy hitondra any amin’ny tetezamita, mba tsy hilazana hoe tetezamitatra. Fifanarahana mba hahafahana miatrika fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra no andrasana, hoy izy. Tsy azo afohezina ary tsy azo itarina tsinona fe-potoam-piasana politika. Ny dosie mivoaka dia toy ny tolo-kevitra na «proposition» rehetra ihany. Azo raisina nefa tsy voatery ho raisina koa. Mila dinihina ireny satria ny tanjona no hahafahana mamaritra ny tokony atao. Ny tanjona dia efa voalaza teo ary asa ifandrimbonan’ny rehetra ny eo anelanelan’izay. Ny ankoatran’izay dia toy ny zava-miseho rehetra anatina tokantrano saingy tomponandraikitra ara-panjakana moa no iharan’ilay izy dia lasa ohatran’ny resaka politika ilay izy. Mariky ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto Madagasikara koa faharoa. Eritrereto hoe tomponandraikitra ambony no very entana dia ahoana izany ny vahoaka? Ahoana izany ny olona tsy manana mpiaro, ny tsy manana fiarovan’ny fanjakana satria tadidio fa izany tomponandraiki-panjakana ambony izany dia adidin’ny fanjakana no miaro azy? Ny vahoaka moa izany very fanahy mbola velona satria tsy misy mpiaro. Mandry an-driran’antsy sy kamboty ny vahoaka. Azo lazaina fa niakatra ambony izany ny marimpanan’ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Mino sy manantena isika fa mba hisy fiantraikany aty amin’ny fiainam-bahoaka ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana amin’ny tsy fandriampahalemana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Légende: Paul Rabary, mpitarika ny antoko « Ny firenenko »
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny