Tsy mitsahatra milaza ary manamafy izahay fa tsy misy fampandrosoana azo antenaina eto amin’ny firenena raha tsy mipetraka ny demokrasia sy tany tan-dalàna, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny. Miara-manaiky isika olompirenena, hoy ny Otrikafo, fa ny hahatongavana amin’izany demokrasia izany dia ny fifidianana. Tsy fifidianana fehy fifidianana akory fa fifidianana manaraka ny fenitra demokratika. Ny fitondram-panjakana dia miroso amin’izany fifidianana izany na dia hita aza fa tsy voahaja ireo fenitra demokratika ireo. Firafitry ny CENI tsy ara-dalàna. Famatsiana ny enti-manana tsy tanteraka. Lisim-pifidianana azo kihanina sy ny maro hafa. Miampy indray koa izao ny firotsahan-kofidiana sasantsasany tsy manaja lalàna. Mazava izany fa tsy antenaina ary tsy heverina akory haneho ny demokrasia marina ny vokam-pifidianana amin’izao endriny izao. Manambara ny Otrikafo, ho anareo kandida hifaninana amin’ny kandidam-panjakana fa tsy diso ianareo ka ho meloka eo anatrehan’ny vahoaka malagasy sy ny tantara raha hisintona miaraka miala tsy ho kandida ianareo ary tsy ho mpiray tsikombakomba amin’ny sarisarim-pifidianana fantatra fa tsy manaraka ny fenitra demokratika. Diso ianareo raha mikiry hiroso amin’ny fifidianana ka hanome “légitimité” na fankatoavana ny voka-pifidianana amin’io endrika sarisariny io. Ny fitiavan-tanindrazana sy ny fijerena ny tombontsoa marina an’ny vahoaka izany mitaky ny fisitahanareo amin’io sarisarim-pifidianana io ary tsy hanaiky ny fankatoavana vokatr’io. Tsy mendrika izao ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Manamafy ny Otrikafo. Mialà ianareo tsy ho kandida, hoy hatrany ity antoko ity!
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby