airtel

Politique

02-août-2021

Politique

Antoko Otrikafo “Tsy azo adinoina ny France Afrique sy Big pharma”

Sample post image

Efa asan’ny tambazotra France Afrique, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo ny fifofoana na famonoana mihitsy ireo filoham-pirenena na fanjakana afrikanina hitan’ny fanjakana frantsay

02-août-2021

 fa mety tsy hifanaraka aminy intsony. Tranga farany izao ny saika nahazo an’I Assimi Goïta, izay mitondra ny tetezamita atsy Mali, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny. Saika nisy nanatsatoka antsy io satria tsy ankasitrahan’ny frantsay. Hitantsika koa ny tao Tchad. Novonoina i Idriss Déby dia ny zanany ihany no nasolo azy. Tohanan’ny frantsay io zanany io amin’izao fotoana izao. Niarahantsika nahita koa moa iny ny nahazo an’i Jovenel Moïse tany Haïti vokatry ny resaka hoe tombontsoa Amerikanina sy Kanadianina. Ny tsy fantatry ny mpitondra Malagasy dia ny hoe hatraiza no mety fandraisan’ny mpitondra Frantsay ny firesahan’ny filoha Malagasy ny nosy manodidina izay noheveriny fa hampiakatra ny fitiavan’ny Malagasy azy? Aza adino ihany koa fa na ireny resaka CVO ireny aza, na mahomby io na tsia, dia hahasosotra ny Frantsay raha tany toa an’I Madagasikara na mpitondra Malagasy no hiana-kendry hilaza fa nahita tambavy hasolo ny vakisiny noforonin’ireo mpikambana anaty Big Pharma ireo. Izany rehetra izany no mila fiomanana mialohan’ny hitondrana firenena sy mila fijerena ekipa satria raha mety manana finiavana hiala amin’ny Frantsay tokoa ve ny filoham-pirenena dia vonona hitsipaka izany tombontsoa frantsay izany ny ekipa manodidina azy? Tsy mahagaga raha mikorontana ny firenentsika. Mikorontana ny mpanohitra sy mpitondra satria misy tombotsoa miisa 2 miady ao, hoy hatrany ny Otrikafo, ary anjaran’ny vahoaka Malagasy amin’izay no mandray lesona hoe karazana mpanao politika no mety hiaro ny tombontsoany marina amin’ny sisa satria raha izao zava-misy izao tsy hahitana izany mihitsy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap