airtel

Politique

31-mars-2023

Politique

Antoko politika AREMA « Tsy mahay maka tahaka ireo tia tanindrazana tamin’ny 1947 isika »

Sample post image

Vaky vava ny antoko politika AREMA tarihin’ny sekretera nasionaliny Annick Ratsiraka fa tsy mahay maka tahaka ireo tia tanindrazana tamin’ny taona 1947 isika.

31-mars-2023

76 taona aty aorian’ny tolona izay nataon’ireo mahery fo Malagasy tamin’ny 29 martsa 1947 mantsy dia nambarany fa maro ireo zavatra very. Lohalaharana amin’ireny ny finiavana hanavotra ny firenena nataon’ireo nahery fo. Angamba hoy ny sekretera nasionalin'ny antoko AREMA dia samy resy lahatra ny rehetra fa tsy ho tahaka izao intsony ny firenentsika raha tena tia tanindrazana marina ireo mpitondra nifanesy sy ireo Ray aman-dReny taty aoriana. Latsaka an-katerena tanteraka ny firenena vokatr’izany hoy hatrany izy. Noho ny fahatsapana izany moa no antony namerenana ny anaran’ny antoko AREMA hoe : Antoko revolisionera Malagasy satria tena mila revolisiona na ny firenena na ny vahoaka. Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana tamin'ny 29 Martsa 1947 dia notsarovan’ireo mpikatroka AREMA ihany koa ny faha-2 taona nahalasanan’ny Amiraly Didier Ratsiraka izay nody mandry ny 28 martsa 2021 ary nalevina teny amin’ny fasan’ny mahery fo Avaratr’Ambohitsaina ny 29 martsa 2021 ihany. Vavaka notanterahina tao amin’ny Chapelle Notre Dame de la Paix Andrainarivo no nanamarihana izany narahin’ny fanaterana fehezam-bonikazo teny amin’ny fasan’ny mahery fo izy ireo.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap