ny antoko politika Fanare, hoy ny filohany, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis. Nisy fotoana aho, hoy izy, «Directeur de l’engagement et de tutelle» na talen’ny fifanarahana sy fananam-panjakana. To teny tamin’ireo fari-piadidiam-panjakana toy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na CDD aho tamin’izany. Tsy dia manam-bola firy ny vondrona itsinjaram-pahefana fa tsy maintsy mahazo famatsiam-bola. Tsy maintsy dinihina tsara izany ny fitantanana ny fako. Raha vao tsy miaraka amin’ny mpitondra izany, ohatra, ny ben’ny tanàna dia efa very. Miantehitra amin’ny hetran-trano. Noresahana izao ny hetran-trano teo. Mitombo efa ho avo 5 heny. Mifandray daholo ny vola miditra amin’ny kaominina sy ny isan-tokantrano. Raha tsy mandeha ny fihariana ankapobeny, na ataonao 1% aza ny tahan-ketra tsy mankaiza. Any avaratr’i Eoropa, Scandinavie, izao efa voavaha ny olan’ny fako. Efa misy manafatra fako aza ry zareo ho atao angovo azo avaozina. Mila akana lesona izany. Izay ny momba an’iny fa ny fandriampahalemana koa matoa tsy misy dia tsy misy ny fifampitokisana eo amin’ny fiarahamonina. Ny sasany mangalatra nefa tsy voasazy. Isan’ny falemena be ho an’ity fitondrana ity izao izany. Tany Ankazobe izao dia nisy olona nanafika. Iza moa ireo raha tsy zandary sy miaramila? Maninona no tsy voafehy izany? Iza moa no afaka manome tanjozotra na «escorte» andramena izany? Tsy maintsy miaramila! Maninona ny miaramila manaiky manao izany? Tsy maintsy misy mpitondra miray tsikombakomba aminy ao! Mifandray daholo ny sosialy sy toekarena ka izay no mahatonga anay mpanohitra miteny hoe tokony mba handinika ihany ny vahoaka malagasy! Ny vahoaka no nanome fahefana ireo mpitondra ireo, indrindra, ny solombavambahoaka. Rehefa ny olona nomenao fahefana no tsy mihetsika dia ianao tompon-draharaha mihitsy no mila mandeha any amin’ny tribonaly miteny hoe tsy mety io. Ny filoha Andry Rajoelina izao nandika lalàmpanorenana. Io resaka fiofona na «naturalisation» io mbola taty aoriana fa talohan’izany, 2019 tany dia efa nilaza mandrakariva ny RMDM mba hahatonga saina ny olona, eny, fa na ireo mpiaradia amin’ny fitondrana izay manao vain-drahalahy tsy maharary nefa ianareo dia mitavana ny harena. Ianareo no tsy maintsy atao tonga saina voalohany, hoy hatrany ny Fanare!
J. Mirija
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny