moa ny antoko politika Fanare fiandrianam-pirenena, hoy ny filohany, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis. Samy manana ny hitondrany ny tolona rehefa ao, hoy izy. Ireny izao ny TIM nilatsaka indray tamin’ny fifidianana depiote. Miisa 15 no tafidiny teo aloha dia mbola 15 ihany no tafidiny teo. Ny Fanare moa tsy mandray anjara amin’ireny satria ny fiandrianam-pirenena sy fitondràna mpanjaka na «Monarchie» no voiziny. Olana be ho an’ny mpanohitra eto koa io resaka ara-dalàna io. Tamin’ny hetsika fotsy efa niaraha-nanaiky fa mbola tsy madio ny tokontany nefa ianao nilatsaka ihany. Haharesy ny tompon’ny lalàna amin’izany mihitsy ianao na inona na inona ataonao. Tsy handresy anaty tokontany maloto mihitsy ny mpanohitra ary tsy handresy anaty tokontany maloto mihitsy ny fahamarinana! Ny tena koa moa narary ary izay no tsy nahitàn’ny olona firy ny tena. Tsy mendrika raha filoham-pirenena no miteny hoe mivovoa ny mpanohitra. Efa niteny toy izany tao amin’ny lapan’ny Manjakamiadana izy. Tao amin’ny tranon-drazana. Ny azy angamba raisiny amin’ilay kolontsaina frantsay hoe «La caravane passe, les chiens aboies.» saingy tsy azo ampiasaina amin’ny maha malagasy antsika nefa izany. Trano masina toy ny fiangonana ny lapan’ny Manjakamiadana. Ny razamben’Andriamasinavalona no nanorina an’io. Ny mpitantana ambony indrindra eto amin’ny firenena nefa no miteniteny foana toy izany hoe «mivovoa» izany ao anatin’ilay izy. Tokony mba miteny aminy ny TGV sy izay akaiky azy hoe tsy mendrika ho an’ny raiamandreny ny miteny toy ireny. Manambany olona izany. Manjary mifandrangitra fotsiny isika. Io izao ny ady any Okrainina, efa miezaka foana ny firenena maro hoe andao hanao fifampiraharahana na «négociation». Tsy ilaozana mifandramatra sy miady eo satria ny zaza amam-behivavy no mampalahelo, indrindra, ny vehivavy. Raha ny tolona hatramin’izay nanomboka ny taona 1972, 1991, 2002, 2009 na oviana dia ny vahoaka foana no nitsara hoe tokony esorina io na tsia. Raha izao fandehan’ny raharaha izao, eo ny halabato sy ny rehetra, eran-tany no misy an’io. Miteny foana ny mpanohitra hoe tsy mety io saingy azy moa ny tafika sy ny fitsaràna dia reraka eo foana. Tsy mitsahatry ny manohitra ny tsy rariny eto amin’ny firenena na izany aza ny Fanare. Ianao ao amin’ny gazety Tia tanindrazana efa namoaka ny teniko teto hoe ny indonezianina havantsika mamokatra solitany amin’ny alalan’ilay orinasany hoe «Pétromine». Maninona no tsy mifampiraharaha any isika amin’ny famahana ny olan’ny JIRAMA fa tsy ilay antsoin’ny olona hoe jiron’akoho no zarazaraina etsy sy eroa? Tsy mba angovo avy amin’ny masoandro na «panneau solaire» akory!? Ny vahaolana dia miaraka amin’ny olona manana solitany fa ny karàna tsy manana an’izany sady izay mbola ampandaloviny atsy Maorisy satria be dia be ny karàna dia izay vao alefany aty. Mitombo ny mason-karenan’ilay solika vatsiana amin’ny JIRAMA avy eo. Na mandeha aza ny atsy Bemolanga sy Tsimiroro dia tsy afa-mihetsika isika malagasy satria efa voafehiny daholo, hoy hatrany ny Fanare.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby