airtel

Politique

12-déc-2023

Antoko politika Fanare

“Tsy mifampidinika amin’ny mpanjanatany izahay!”

Sample post image

Amin’ny maha antoko mandala ny fitondran’ny mpanjaka ny antoko politika Fanare

12-déc-2023

moa dia iombonanay hevitra amin’ny mpanohitra ny fandavana fianianana vazaha ho filohan’ny repoblika malagasy, hoy ny filohan’ity antoko ity, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis. Anatin’ny vondrona RMDM rahateo izahay, hoy izy. Miaraka amin’ireo kandida miisa 10 izay namadika ny tolon’izy ireo ho tolom-bahoaka ny RMDM. Nilaza moa ny kandida 10 fa tsy mandà ny fifampidinihina sy fifampiresahana, izany hoe manaraka ny hevitry ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa. Anatin’ny olona tia tanindrazana ny antoko Fanare. Taloha nisy izany hetsiky ny Menalamba notarihin’ny tia tanindrazana rain’ny betsimisaraka izany. Tsy nifampidinika tamin’ny Jeneraly Gallieni mihitsy izany. Toy izany koa ny MDRM ny taona 1947. Tia tanindrazana izany Lietna Randriamaromanana izany ary maty novonoin’ny frantsay izany fa tsy nifampidinika tamin’ny frantsay mihitsy. Amin’izao fotoana izao dia mbola hoe frantsay indray no filohan’ny malagasy. Mbola miverina indray izany ny fanjanahantany. Misy frantsay tena tia tanindrazana tokoa. Jeneraly Charles De Gaulle izany. Rehefa resin’ny NAZI, izany hoe, ny alemanina, ny frantsay dia ny Maréchal Philippe Pétain no nanaiky nifampidinika tamin’ny fitondrana NAZI na ny Alemanina tao Frantsa dia lasa filoham-panjakana frantsay. Ny Jeneraly Charles De Gaulle kosa dia nandositra tany Angletera. Tsy nanaiky izy satria tia tanindrazana ary fitaratra ho antsika malagasy izany. Nanentana ny ady anaty akata tany Frantsa izy tany. Tsy namotika an’i Madagasikara izy fa izy aza no nanome fahaleovantena ireo firenena zanatany frantsay ireo. Nisy vahoaka frantsay 4 tapitrisa tany Alzeria saingy nampodiany satria tsy tany frantsay Alzeria. “Pied noir” no filaza azy tamin’izany. Tsy mila mifampidinika amin’i Andry Rajoelina, noho izany, ny mpanohitra fa mila mamaky atody. Samy mandika izay tiany andikana izany fa efa misy tanjona izany izao. Misy ny atao hoe “tanjona” na “objectif”. Misy ny stratejia. Misy ny vokatra. Mbola tsy voazavan’ny kandida miisa 11 io tanjona fa efa mazava izany izy izao hoe misy atody vakiana ao. Tsara hanontaniana ireo kandida 11 io. Efa miheritreritra atody vaky amin’izay izany ireto kandida ireto. Tsy mifampidinika amin’ny mpanjanatany izahay! Mazava tsara izay! Any Frantsa no tokony hilatsaka ho filoham-pirenena frantsay i Andry Rajoelina satria mbola tsy foana ny didim-pitondrana fiofoana frantsay na “decret de naturalisation” frantsay nataony. Vao manaiky an’io isika dia hilatsaka daholo ireo sinoa sy indianina sy vahiny rehetra eto. Tsara ho dinihin’ny malagasy izany, hoy hatrany ny Fanare.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap