hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Efa nanome sosokevitra momba ny daty ny CENI dia nankany amin’ny HCC. Inona no andrasan’ny governemanta tsy amoahana ilay daty? Arangarangan-drizareo moa ilay hoe 90 andro mialohan’ilay tolo-kevitry ny CENI no amoahana ny daty. Midika tsy fisiana mangarahara izany. Ahafahan’ny rehetra mivonona dia avoahay ilay daty dia samy mihetsiketsika ny rehetra. Rehefa tsy vonona isika dia aoka hilaza koa ny fitondram-panjakana hoe tsy vonona na tsy ho raikitra ny fifidianana satria tsy misy vola na koa hoe tsy ampy ny fanampiana avy any amin’ny mpiara-miombon’antoka. Tadidio fa tsy fifidianana filoham-pirenena ihany koa no tokony hatrehana amin’ity taona ity fa mbola mialohan’izay aza ny kaominaly fa tsy misy miresaka mihitsy. Aza fitahana ny vahoaka! Afaka mamitaka mpanao politika ianareo. Ny vahoaka malagasy no lasa lasibatr’ilay izy. Rebirebena hijery anarana anaty lisitra nefa avy eo tsy hisy fifidianana akory. Hatramin’ny daty mbola iandrasan’ny CENI ny hevitry ny governemanta. Izay no mahatonga ny fiarahamonim-pirenena sy antoko politika maro te handrava an’io CENI sy HCC io. Arakaraky ny hirosoantsika amin’ny datim-pifidianana no mahatonga famoronana zavatra maro. Mety amin’ny fotoana hilazan’ny filoham-pirenena fa hilatsaka ho filoham-pirenena fa hilatsaka ho fidiana izy no haka ny toerany na “position” koa ireo solombavambahoaka IRD izay nilaza fa hanatitra azy hatreny amin’ny “ligne d’arrivée” na fahatongavana ireo satria izay hatreo amin’izay fotoana izay no teboka farany ho an’ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena ankehitriny, hoy hatrany ny nambaran’ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
Legende: Ny sekretera jeneralin’ny Fiombonana
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny