sarotra hatrany izany, hoy ny antoko politika Fiombonana. Hatahorana hampidi-doza ho an’ny firenena, hoy izy ireo. Tsapa sy hita fa ny vahoaka malagasy manontolo no mirehi-pitiavan-tanindrazana ka tapa-kevitra ary maniry ny hametraka ny tany tan-dalàna, ny fisaraham-pahefana, ny tsy fiandanian’ny tomponandraiki-panjakana, ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ny fanajana lalàmpanorenana ary demokrasia. Manamafy hatrany ny antoko Fiombonana fa tokony hajaina toy ny anak’andriamaso ny lalàmpanorenana izay fototry ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Tokony hifampihaino sy hifanaja ny samy malagasy. Helohina tanteraka ary tsy ekena ny fandraisana fahefana tsy manaja lalàna izay nataon’ny mpikambana ao amin’ny governemanta an-terisetra teto amin’ny firenena ka nanomezan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC izany fahefana izany ho an’io governemanta fiaraha-mitantana io. Eo anatrehan’izany tsy fanarahan-dalàna sy fanitsakitsahana lalàmpanorenana izany, ny antoko Fiombonana dia mandroso ireto sosokevitra manaraka ireto; mitaky ny fampitsaharana tsy misy fepetra ny fanaovana herisetra sy fandratrana ny mpiray tanindrazana. Avela malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny fahazoana miteny ho an’ny sokajin’olona na vondron’olona fa saingy manaja ny lalàna velona sy mitandro mandrakariva ny maha iray tsy mivaky ny malagasy. Takiana ny fandravana ny governemanta ka hametrahana rafitra vaovao. Takiana ny fandravana ny HCC sy CENI ka hametrahana ny vaomiera manokana hisahana ny fifidianana na ny CES. Ahemotra ny fifidianana mba hahafahana manitsy ireo lesoka rehetra ka hisian’ny fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra vokatra. Mampirisika sy mampahery hatrany ireo raiamandreny ara-panahy ao amin’ny FFKM mba tsy hikely soroka fa hitady vahaolana hatrany amin’ny alalan’ny fanohizana ny fifampidinihana eo amin’ny herivelona rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena. Miantso ny mpiantsehatra politika rehetra mba samy hampandefitra ny hambom-pony ka hametraka ho lohalaharana hatrany ny soa iombonana eto amin’ny tanindrazana. Miantso ny mpitandro filaminana mba tena hijoro amin’ny maha tandroka aron’ny vozona azy ireo ka tsy hiandany na amin’iza na amin’iza fa hitandro mandrakariva ny fiandrianam-pirenena sy ny fihavanana maha malagasy, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana!
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby