airtel

Politique

12-avril-2023

Politique

Antoko politika Fiombonana «Misy kandida atahorana dia itadiavana atsanga tsy aman’orana»

Sample post image

Hihazakazaka amin’izay ny raharaham-pirenena, indrindra, ny lafiny politika, hoy ny antoko politika Fiombonana,

12-avril-2023

satria aza adino fa amin’ny volana may io isika dia hiatrika izany fivoriana tsy ara-potoanan’ny antenimiera roa tonta izany. Azo lazaina hoe hangotrangotraka, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, ny zavatra hitranga eny anivon’ireo parlemanta, indrindra, ny antenimieram-pirenena. Hitantsika ireny solombavambahoaka nifindra lasy ireny. Eo koa ny depiote iray voafidy tany Ihosy izay atao hoe misabaka ihany satria nitsofoka any amin’ilay depiote iray manao fitetezam-paritra dia avy eo tratran’ny fanontaniana tampoka avy amin’ny tompon’ny fanamiana nisalorany naha lany azy angamba dia niova fiteny indray hoe mbola manohana ilay fitondrana ankehitriny. Ireny mety mitaky fametrahana amin’ny laoniny ny toe-draharaha eny amin’ny antenimieram-pirenena daholo. Aza adino fa misy koa ny raharaha mahakasika ny filohan’ny antenimieram-pirenena izay naha be resaka ny maro. Tsy azo odian-tsy hita ireny. Ho hita eo koa ny feon’ireo solombavambahoaka nilaza fa hanatitra ny filoham-pirenena eny amin’ny toeram-pahatongavana na «ligne d’arrivée». Eo koa ny fifandresen-dahatra eo amin’ny samy antoko politika mikasika ny amin’ny mbola tokony hanohanana na tsia izao fitondrana izao. Mbola hisy tohiny koa ireny fihaonana tamin’ny CENI teny amin’ny Novotel ireny ary santatr’izany angamba ny nambaran’ny Mgr Tsarahazana. Misy kandida atahorana dia itadiavana atsanga tsy aman’orana amin’ny alalan’ireo antsoina hoe lalàna. Misy antoko politika tsotra fa tsy an’ny fanjakana tahaka ny Freedom nefa izao avela malalaka, ohatra. Rehefa miaraka amin’ny fitondrana ve dia tsy ampiharana lalàna fa rehefa hafa dia avoaka ity karazana didim-panjakana sy didim-pitondrana rehetra ity? Tsy fanadino anefa ny tantara ary niaraha-nahita ireny hetsiky ny depiote 73 teo amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny taona 2018 ireny, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap