airtel

Politique

03-mai-2022

Politique

Antoko politika Fiombonana “Tsy mba nianatra politika izay mpitondra teo”

Sample post image

Nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny hotely Tometal Mahamasina ny sabotsy teo ny fitsanganan’ny antoko politika vaovao antsoina hoe “Fiombonana” izay tarihin’ny filohany, Jocelyn Abel Ralison.

03-mai-2022

Efa nitsangana ara-dalana araka ny didim-panjakana 52-41/2022 ny 24 martsa 2022 teo izy io, hoy ny fanazavana. Tanjonay, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Durlin Retogniane, ny ampihombona ny hevitra sy angovo rehetra misy eto amin’ny firenena. Tanjona ankoatrany dia itoviana amin’ireo antoko hafa fa isan’ny mampiavaka anay koa dia ny fanomezanay hasina ny soatoavina Malagasy izay hita ho miha very. Ny fitaizana ny tanora mba handray andraikitra amin’ny seha-pihariana rehetra entina mampandroso ny firenena no heverinay fa isan’ny lalana hahatongavana amin’izany. Manana ny ideolojiany ny antoko ary ny kaongresy nasionaly no hanapaka ny fipetrany arakaraky ny fihazakazaky ny raharaham-pirenena eo. Hisy ny fidinana ifotony amin’ny faritra rehetra izay efa misy ny ratsa-mangaikan’ny antoko. Ny fanisana ofisialy ny isan’ireo mpikambana isam-paritra no hialoha ny kaongresy, hoy hatrany ny tenany. Tsy manavaka amin’ny maha “Fiombonana” azy ny antoko, hoy kosa ny filoha lefitra, Aris Rakotoarisoa. Misy ireo raiamandreny eo amin’ny sehatry ny politika ary misy ireo tanora vao misandratra mila ampianarina ny atao hoe ideolojia politika, hoy izy. Hatreto dia hiaraha-mahalala fa tsy mba nianatra ny atao hoe politika izay mpitondra tonga teo. Antony hijoroan’ny “Fiombonana” noho izany ny hampianatra ireo tanora hoe ohatran’izao no politika natao hitantanana ny firenena. Manana ny foto-pisainany, ny lentany sy ny fahaizany koa ireo mpanao politika tranainy. Afaka mifampizara traikefa amin’ny tanora izy ireny. Anisan’ny antony hamerenanay ilay hoe hasin’ny fahendrena sy soatoavina Malagasy anaty antoko izany satria tsy manaja lehibe intsony ny tanora ankehitriny, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap