airtel

Politique

09-janv-2024

Antoko politika Fiombonana

“Vitsy ireo minisitra mety hiala ao”

Sample post image

Tsy vaovao ny praiminisitra, hoy ny antoko politika Fiombonana,

09-janv-2024

ary mampametra-panontaniana hoe ahoana no nahafahan’ny filoham-pirenena nametraka azy io ho eo indray? Tena ilay depiote maro an’isa teny amin’ny antenimieram-pirenena ve no nanolotra azy, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Dulrin Rétogniane, sa vondron’olona vitsivitsy manana ny fihariany eto Madagasikara? Miantoka ny maha vaovao ilay praiminisitra ve ny fanendrena azy satria hitantsika fa efa notsipaham-pitokisana io praiminisitra io? Depiote nanolotra azy ihany no nanongana azy tamin’izany fotoana izany nefa dia mbola miverina eny amin’ny primatiora indray izy izao. Hiantoka ny fahalaniana amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly toy ny tamin’ny 2018 ihany ve no tanjona amin’io praiminisitra io? Tsy hiova firy ny mpikambana anatin’io governemanta io, raha ny fahitana azy izao sahady. Hamita iraka ireo olona ireo hoe ahoana no fomba hahazoana maro an’isa anatin’izany andrim-panjakana eny amin’ny antenimiera izany sy hahazoana ben’ny tanàna maro an’isa koa? Isan’ny fanambin’Andriamatoa Andry Rajoelina ny mba hifidianana amin’izay ny lehiben’ny faritra sy mpanolontsaim-paritra. Tsy ho marin-toerana tsinona ny fitondrana ankehitriny raha betsaka ny ben’ny tanàna avy amin’ny mpanohitra satria ireo avy eo no hanana maro an’isa amin’ny mpanolontsain’ny tanàna sy lehiben’ny faritra manerana ny nosy. Tsy misy hetsika hipaka amin’ny sosialy sy toekarena azo antenaina ho any amin’ny vahoaka ao anatin’izany rehetra izany. Vitsy ireo minisitra mety hiala ao. Isan’ny praiminisitra mangina na dia anaty fotoan-tsarotra io praiminisitra io. Tsy nandrenesam-peo mihitsy izy nanoloana ireny ataontsika hoe “festivales des scandales” na fetiben’ireo zava-mamoha henatra nifandimby teto amin’ny firenena ireny, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap