airtel

Politique

05-sept-2023

Antoko politika FTM

“Fifidianana mitondra mankaiza ary no ho atao?”

Sample post image

Hita taratra fa miroso mankany amin’ny tsy fanarahan-dalàna avokoa amin’izao fotoana izao na ny eo amin’ny

05-sept-2023

fitondrana na ny mpanohitra, hoy ny antoko politika Fitiavana ny tanin-janaka eto Madagasikara na FTM. Iaraha-mahalala fa tsy atokisan’ny rehetra ny lafiny fikarakarana fifidianana, hoy ny filohan’izy ireo, Njaka Andriantsoa. Ny rafitra hitsara ny fifidianana koa toy izany. Ny lalàm-pifidianana efa nanomezana vahaolana fanatsarana mba handraisan’ny rehetra anjara tsy nisy nokitihana. Raha fifidianana ary no ho atao, fifidianana mitondra mankaiza? Hitondra filaminana ve? Hitondra fahasambarana ho an’ny taranaka ve? Sao dia fifidianana hitondra ho any amin’ny korontana sy krizy vaovao? Raha izay krizy vaovao izay nefa no sanatria hoavy dia faty olona mikararana ary tena olana be hampidina an’i Madagasikara amina fahantrana lalina indray. Fotoana hanajanonana ny ambo-po izao, hametrahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Raha hisy ny fifidianana ka hisy korontana dia hisy indray tetezamita aorian’izay. Efa miandry faty olona sy korontana ve vao hisy fifampiresahana sy fifampidinihana hametrahana lamina vaovao na tetezamita vaovao? Aleo sorohana dieny izao izany. Hapetraka aloha ny rafitra hitantana ny firenena satria efa tapitra ity ny fe-potoam-piasan’ny filoha hajaina. Ao anatin’izao fahataperana izao, andao apetraka aloha ny tetezamita handaminana ny fampihavanam-pirenena. Maro ny olana teto. Handaminana ny rafitra rehetra misy, hanongotana ny HCC tsy atokisana, hanesorana ny CENI. Ho solointsika ireo hikarakara fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra izay hoavy eo. Ny olona mitantana izany tetezamita izany dia olona tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa. Olona tsy manana heritreritra hirotsaka koa na hanohana olona satria hangarahara tanteraka ny fifidianana. Tetezamita hikarakara fifidianana no hatao eo fa tsy ho tetezamiitatra. Hanova ny rafitra. Olona mandala ny fihavanana malagasy. Ny rafitra ao anatiny dia praiminisitra miisa 3. Lefitra ny 2 ary praiminisitra ny iray. Ny praiminisitra iray no miandraikitra ny asan’ny filoham-pirenena. Governemanta handraisan’ny rehetra anjara no hatsangana. Apetraka koa ny antenimiera ahitana ny firehana rehetra na “assemblé constituante”. Matoa tsy nahavita ny asany ny depiote, matoa tsy nisy tafapetraka ny lalàna napetraka teo ary tsy nitondra soa dia depioten’antoko no ao fa tsy an’ny vahoaka. Mila soloina afaka mandinika sy hamolavola lalàna azo entina hampandrosoana ity firenena ity ireo, hoy hatrany ny FTM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap