airtel

Politique

08-mai-2023

Politique

Antoko politika FTM «Sambatra ny firenena manana tanora matanjaka»

Sample post image

Eny anivon’ny fokontany no ahitana ireo tena mpilalao mahay amin’ny baolina kitra, hoy ny antoko politika Fitiavana ny tanin-janako eto Madagasikara.

08-mai-2023

Tanora malagasy feno finiavana no ilaina, hoy ny filohan’izy ireo, Njaka Andriantsoa. Manohana ireo tanora hatrany ny antoko FTM ary vonona hijery izay mahasoa sy mahafinaritra. Manorina ifotony tokoa satria eny anivon’ny fokontany no fiarahamonina ifotony. Sambatra ny firenena manana tanora matanjaka sy salama entina miatrika ny fiainana, hoy hatrany ny antoko. Ondry miisa 6 moa no natolotry ny FTM teo Amin’ny kianja Anosibe Zaivola, anaty boriboritany faha 6 nandritry ny lalao baolina kitra ho an’olona 7 teny an-toerana ny faran’ny herinandro teo ho lokan’ireo izay mendrika, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap