fanarenana ifotony ny lisitry ny mpifidy sy rejisim-pifidianana dia nanomboka ny 1 oktobra 2022 lasa teo ny fanisana ny mpifidy sy fandraisana an-tsoratra ny mombamomba ny olompirenena feno taona sy manan-jo hifidy izay haharitra 3 volana, hoy ny antoko politika Madio na APM. Izany dia tanterahan’ny vaomiera ifotony misahana fanisana mpifidy na « Commission Locale de Recensement des Electeurs – CLRE », solontenan’ny kaomisionim-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI isam-pokontany. Tianay APM ny mampahafantatra ny olompirenena rehetra fa amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no hisian’ny fifandimbiasam-pahefana manaraka ny lalampanorenana aty amin’ny tany demokratika tahaka an’i Madagasikara ka manan-jo feno amin’izany ny olompirenena rehetra feno taona sy tsy very zo. Ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy dia midika fa foana tanteraka ny lisitra efa nisy teo aloha. Noho izany dia manao izao fanambarana manaraka izao izahay ; manentana ny olompirenena rehetra feno taona mba hanatona ny fokontany misy azy hanoratra ary hanamarina ny anarany sy ny mombamomba azy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Mitaky ny mangarahara sy asa mirindra amin’ireo rantsa-mangaikan’ny CENI mba hisian’ny fahatokisana eo amin’ny vahoaka sy io rafitra mahaleotena io. Mitaky ny fametrahana tekinisianina solotenan’ny antoko politika tsirairay hiara-hiasa maharitra amin’ny CENI eo amin’ny lafiny fanaraha-maso ny fampiasana ilay rindram-baiko izay ampiasainy mandritry ny fandrafetana io lisitry ny mpifidy vaovao io, hoy hatrany ny APM omaly.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby