Tsy maintsy haneho ny hevitry ny vahoaka izahay, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland. Ny vahoaka no masi-mandidy sy tompon’ny fahefana nampindrana izany tamin’ireto mpitondra ireto. Voafitaka ny vahoaka. Hidina an-dalambe eto Antananarivo izahay ny sabotsy izao dia avy eo izany hetsika izany entina mipariaka manerana ny nosy. Hiarovana ny tanindrazana, fitiavan-tanindrazana no tanjona. Ny vahoaka malagasy tia tanindrazana no hitarika izany. Mila milamina mialohan’ny fifidianana ny firenena. Ny vahoaka no haneho ny heviny na hahazo alalana na tsia ny fihetsiketsehana ho atao. Efa misy olona nametraka ny fangatahana alalana any. Izahay no hitarika ny vahoaka satria tsy rariny izao zava-misy izao, hoy hatrany ny antoko politika Matsilo.
J. Mirija
Légende: Joseph Yoland
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby