amin’ny firaisankinan’ny vondron’ireo kandidà miisa 11 ka manao izao fanambarana izao. Tsy miova amin’ny fotokevitra nijoroany mahakasika ny fifidianana ka mampahatsiahy hatrany fa miantso ny fitondram-panjakana mba hanaiky ny fifampiresahana ka hifantoka amin’ny fametrahana rafitra vaovao ho amin’ny fifidianana miaraka amin’ny andrim-panjakana tsy mitanila, mibanjina fifanarahana iombonana na teny ierana ao anatin’ny fotoana voafetra hifanarahan’ny rehetra ny MFM. Manameloka ny fampiasan-kery amin’ny endriny rehetra ny MFM, mangataka ny famoahana ireo niharan’ny fisamborana izay naneho hevitra am-pilaminana. Mirary ihany koa fahasitranana ho an’ireo izay naratra. Avelao ny olona hiteny fa izay no antoky ny fahalalahana ka anjaran’ny mpitandro ny filaminana no miaro ny ainy sy ny fananany. Tohizana ny dinika FFKM ka mankahery anareo hatrany amin’ny fitadiavana lalana fikatsaham-bahaolana ho an’ny firenena! Manohana ny ezaka ataon’ny raiamandrenim-piangonana ny MFM. “Lazao amin’ny zanak’Israely mba handroso…”, hoy hatrany ny MFM nindrana ny teny ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Eksodosy 14-15b.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby