Tokony hanara-dalàna ny Ceni, hoy izy. Tsy voahaja anefa izany. Heno sy hita ary anananay porofo fa mbola mandray anaran'olona amin'ny lisitry ny mpifidy izy ireo. Mbola misy olona mameno ny lisitra anaty karne sy mandray anarana any nefa efa tapitra ny fe-potoana tokony hanaovana izany fa efa eny anivon'ny fokontany indray izao no tokony handraisana izany. Hiantraika amin'ny fikarakarana lisi-pifidianana sy ny fifidianana izany. Tafiditra ao anatin'izany ny fifidianana filoham-pirenena sy ny eny anivon'ny kaominina. Etsy andaniny, olana efa napetrakay koa ny fikirakirakana ny rindram-baiko amin'ny fampidirana ny anaran'ny mpifidy anaty solosaina hiatrehana ny fifidianana roa samihafa. Nokirakirain'izy ireo samirery tao izany ary tsy nanaovana fanadihadiana na "Audit" ilay rindrambaiko ahafahana mijery ny anarana miverimberina na "doublons" na misy tokoa na tsia. Tsy manaraka ny fenitra anefa io fitaovana io, hoy hatrany izy. Notsiahivina avy eo fa 37% ny tahan'ny isan'ny mpifidy ny volana desambra teo ary nambara kosa ny janoary teo fa maherin'ny 9 tapitrisa izany izao. Mbola mitady mpifidy hatrany amin'ny 4 tapitrisa mahery izany ny Ceni, vao hahatratra ilay mpifidy 13 tapitrisa. Efa tsy tomombana hatramin'ny voalohany io. Takianay MMM ny mba hanampian'ny fanjakana ny hampanarahana fenitra eo amin'ny fitaovana, ny vola ary koa ny olona, afahan'ny Ceni manao ny asany, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
Legende: Rija Rakotomalala Mpitondra tenin’ny MMM
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny