Andrianainarivelo Hajo sy ny depiote Volahaingo Marie Therese ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ity filoha ity fa tsy vitan’olon-drery ny fampandrosoana ary tanindrazana iombonana i Madagasikara. Ilaina ny firaisankina sy fiaraha-miasa ahafahana manova ny tantara, hoy izy. Tokony hatokana ho amin’ny fambolena sy ny fijerena ny tantsaha ny ampahany betsaka amin’ny volam-panjakana. Mba tsy ho ny tantsaha any amin’ny firenen-kafa indray no hovelomina. Tokony hapetraka amin’ny toerany ny fitsinjaram-pahefana mitsinjo ny eny ifotony eo amin’ny vola sy ny fampitaovana. Anisan’ny nametraka ny tantara teto amin’ny firenena ny depiote MMM. Anisan’izany ny depiote Volahaingo Marie Therese, voafidy ato Bealanana. Manantena aho ny hitohizan’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ity olom-boafidy ity, hoy hatrany izy. Notokanana tamin’izany moa ny lapan’ny tanàna nohatsaraina tao an-toerana. Teo koa ny fanomezana fitaovana sy kojakoja samihafa, ho an’ny CSB sy ny EPP ao Mangindrano. toy ny fanitso, kidoro, simenitra. Nanotrona izany ireo ben’ny tanàna avy amin’ny MMM amin’ireo kaominina miisa 18 any an-toerana.
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny