Araka ny fanazavana dia iompana indrindra amin’ny fisorohana ny mety ho fiantraikany ratsy eto amin’izao tontolo izao ny tsy fahaiza-mandamina ny fifandonana ara-tafika eo amin’ny firenen’i Okrainina sy Rosia no tanjona amin’ity taratasy ity. Mipetraka hatrany amin’ny fomba fijeriny hatramin’izay dia ny maha hery afovoany sy mpivoy ny politikan’ny maha olona azy ny antoko. Melohin’ny antoko, noho izany, ny endrika herisetra rehetra mihatra amin’ny maha olona. Mampirisika hatrany ny hisiana sy hanohizana ny fifampiresahana ahitana ny marimaritra iraisana itsaharan’ity ady ity ny antoko. Iangavian’ny antoko indrindra ihany koa ny itandremana ny amin’ny tsy ampiasana ireo fitaovam-piadiana mety hanampy trotraka ny fahapotehan’ny tontolo iainana izay efa iainan’izao tontolo izao ankehitriny, izay efa sady ataon’ity areti-mandripaka Covid 19 ity miha marefo hatrany. Miantso hatrany ny fampihavanana ny olombelona amin’ny natiora, noho izany, ny antoko politika Natiora, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende : Ny filohan’ny antoko Natiora
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby