airtel

Politique

11-mars-2026

Antoko politika Natiora

«Tena tsy misy dikany ny

Sample post image

governemanta rava rehefa tsy rava ny antenimierampirenena!»

11-mars-2026

Efa ela no fantatry ny antoko politika Natiora fa tsy maintsy ho ravàna ny governemanta, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Izay izany, hoy izy, vao tonga ny fotoana. Faly ny antoko satria isan’ny nangataka ny fanalàna ny Praiminisitra sy ny fandravàna ny governemanta. Ravoravo ny antoko satria notanterahin’ny filoha Michael Randrianirina ny fangatahany. Miantso azy kosa nefa hametraka olona tena azo antoka. Ny olana amin’ny fanetribe nefa dia izy ihany no tratran’ny fingampingana satria mbola manaraka ilay lalàmpanorenana izay ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena no manendry ny praiminisitra. Vato misakana ahafahana mametraka ny olona tena mahavita nefa izay. Politika no itantanana ny firenena ka mpanao politika ihany no tokony ho apetraka eo. Tena tsy misy dikany ny governemanta rava rehefa tsy rava ny antenimieram-pirenena! Tokony ravàna toy ny antenimierandoholona koa ny antenimieram-pirenena! Tsy izay mahay miara-miasa amin’ny filoham-pirenena foana izany no ho voatendry praiminisitra raha mbola izao fa izay voatendrin’ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena. Vato misakana ho an’ny fanavaozana ny fijoroan’ny antenimieram-pirenena. Tokony ravàna koa io, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap