airtel

Politique

05-juil-2023

Politique

Antoko politika Natiora «Tonga ny fotoana hanitsiana ny lesoka hatrizay»

Sample post image

Mila manana fahasahiana hiova sy manova isika, hoy ny fanambarana navoakan’ny antoko politika Natiora omaly.

05-juil-2023

Mandresy ny tahotra, hoy izy ireo, fa ny tahotra no fahavalon’ny fahombiazana sy ny fandresena. Tsy tokony angatahana andro amin’ny fanombohana ny fiovana sy fanovana eto Madagasikara intsony, tsy hanaiky lembenana mbola ho moramoraina ihany ny tanindrazana. Tsy ny taona no mitondra fiovana fa ny saina sy ny asa. Ny saina sy ny asa no elatra roa hanidinana. Rehefa hanidina ihany dia aleo misidina ambony dia ambony ho tazana sy hahatazana. Hitandrina fatratra kosa nefa tsy ho tratry ny zanatsipika misy poizina ka hianjera haratra ary mety ho faty mihitsy aza. Ho lohany amin’izay ny malagasy tompon’i Madagasikara. Hanome hasina ny fiizina sy ny firaisankina ary ny fihavanana sy ny fahamarinana. Manaja ny hasin’ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana, manome haja ny hasina, ny foko malagasy, ny tanindrazana. I Madagasikara dia ho an’ny malagasy ary isika malagasy dia ho masi-mandidy eto Madagasikara. Ny malagasy aloha vao ny hafa. Mila vahoaka misitraka feno ny zony ary firenena tan-dalàna isika malagasy. Noho izany, ny fitantanana ny firenena dia i Madagasikara dia ho an’ireo manana zo tokana, malagasy ihany. Tonga izao ny fotoana tsara indrindra hizakàna ny zo maha tompon-tany. Hanaporofoana eo anatrehan’izao tontolo izao fa vonona ny handray an-tanana ny firenena ny malagasy. Tsy manaiky lembenana intsony. Saropiaro amin’ny zo sy hasina maha izy azy. Tonga ny fotoana hanitsiana ny lesoka hatrizay. Hametrahana paika vaovao avo lenta sy lamin’asa hanenjehana ny fahatarana noho ny fiantraikan’ny fomba fiasa lany andro, hampanjakana ny faharanitan-tsain’ny sivilizasionina malagasy. Sivilizasionina manana fahasahiana hiatrika ny tontolo vaovaon’ny fivoaran’ny siansa sy ny hairaha isan-karazany. Ny hamerenana ny endrik’i Gasikara amin’ny laoniny dia i Madagasikara sy ireo nosy manodidina azy, izay efa foin-janahary ho an’ny malagasy. Adidintsika ny mamoha mandry, manaitra ny olompirenena malagasy rehetra manerana ny nosy mba hisoroka tsy hitazam-potsiny ny fihavian’ny loza, hiaraka hitady ny fomba hanilihana ny fahavoazana efa mihoam-pampana mahazo ny firenena sy ny vahoaka tsy mandady harona, hoy hatrany ity antoko ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap