airtel

Politique

28-nov-2022

Politique

Antoko politika Otrikafo “Ajanony mihitsy aloha ilay resaka hetra eto Antananarivo!”

Sample post image

Nanaitra ny mpitantana ny tananan’Antananarivo ny antoko politika Otrikafo mba hanitsy ity hetran-trano midangana eto Antananarivo ity.

28-nov-2022

Efa 30 taona, raha ny fanazavan’ny mpitantana ny kaominin’Antananarivo, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Elia Rabevahiny, no tsy nisian’izay fitakiana hetra izay dia izao indray izany ilay izy vao atambatra. Tsy ny vahoakan’Antananarivo no niteny hoe aza mitaky hetra tao anatin’ny 30 taona! Manaitra ny mponin’Antananarivo izahay hoe tsy tokony handoa io hetran-trano lafobe io isika. Tsy hoe manentana ny olona tsy handoa hetra akory fa tsy tokony aloha io aloha raha tsy ahitsy araka ny tokony ho izy. Haro-paosy amin’ny fomba mihaja ataon’ny mpitantana ny CUA tsinona ilay hetra lafo satria tsy misy valimbabena ho an’ny mponina akory. Ny fako tsy voaroaka, ny fitohanan’ny fifamoivoizana io iarahantsika mahita io. Ny olana rehetra tsy misy mivaha nefa ianao izany tsy hitsahatra ny hangarona ny any am-paosin’ny vahoakan’Antananarivo. Efa samy volomboasary anefa izao ny mpitondra foibe sy ny mpitantana an’Antananarivo. Hajanony mihitsy aloha no dikan’izany ilay resaka hetra eto Antananarivo. Ny resaka delestazy tadidio fa ny taona 1998 dia ny lalana 98-032 no nilaza fa tokony hiala amin’ny famokarana angovo ny JIRAMA fa ny tsy miankina no tokony hanao izany, araka ny faneren’ny banky iraisampirenena. Nanaiky tokoa isika dia lasa mividy angovo amin’ny tsy miankina indray izao ilay JIRAMA. Mividy amin’ny sarany lafo nefa mivarotra amin’ny sarany mora. Izay ilay hoe “vente à perte”. Izay izany ilay fototr’olana fa ohatran’ny tsy resahana mihitsy. Vidiana amin’ny Euro sy Dolara ny akora ilaina nefa jereo ity Ariarintsika ny fitotongany! Mila jerena ny olana fototra hiaingan’ny vahaolana. Farany dia nisy ny fanambaran’ny SEG fa voaporofo izany izao fa misy trafikana fitaovam-piadiana eto ka maninona ary no tsy havoaka I Malama, hoy hatrany ny Otrikafo ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap