airtel

Politique

23-juin-2022

Politique

Antoko politika Otrikafo “Andao terena hampiasa an’I Tsimiroro ny mpitondra”

Sample post image

Andao terena hampiasa an’I Tsimiroro ny mpitondra, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo, tetsy amin’ny biraon’izy ireo etsy Andravoahangy omaly.

23-juin-2022

Misy loza mitatao ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny na Rabe Otrikafo. Vokatry ny tsy fifehezan’ny fitondram-panjakana ny tany sy ny fanjakana dia hiakatra afaka andro vitsivitsy izany izao ny vidin-tsolika. Io vidiny ankehitriny io aza efa manahirana ny vahoaka malagasy dia vao mainka hasondrotra indray ve? Tsy azo ihodivirana nefa izany. Betsaka ny sosokevitra efa narosonay hifehezana io vidin-tsolika io saingy tsy narahan’ny mpitondra moa. Mbola mandroso indray ankehitriny ny Otrikafo hoe manana ny harena rehetra ahafahana mampandroso ny firenena isika. Manana ny Madagascar Oil isika, izay ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao no mikarakara ny fitrandrahana azy. Inona no sakana ho an’ny fitondram-panjakana tsy hampiasany ny menaka mavesatra ao Tsimiroro? Misy tara na “goudron” azontsika ampiasaina amin’ny fanaovan-dalana koa ao. Potika izao ny lalam-pirenena rehetra na ny eto Antananarivo aza. Azo ampiasaina mandritry ny 40 taona io menaka mavesatra ao Tsimiroro io raha ny vinavinan’ireo manam-pahaizana. Misy 1,7 miliara barilina ao raha ny fitsirihana farany natao. Vahaolana izao dieny izao io raha ny lafiny solika nefa tsy miroso ny fanjakana. Avela ho faty eto ve izany ny vahoaka malagasy? Miantso ny rehetra izahay hoe andao hiray hina hanery ny fitondram-panjakana hampiasa io menaka mavesatra ao Tsimiroro io, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap