raharaham-pirenena, hoy ny antoko politika Otrikafo. 2 herinandro mialohan’ny hisokafan’ny fampielezankevitra isika izao fa mbola tsy misy mahazo antoka hoe hisy sa tsy hisy tokoa ilay fifidianana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny. Ho avy eto ny iraky ny firenena mikambana ary saika misy foana izany rehefa misy savorovoro toy izao eto amin’ny firenena. Tonga handamina ve sa vao mainka hanasarotra ny zava-misy ireo? Azo antoka fa hihazakazaka hanao tsy omby aloha eny indray ny mpisehatra politika malagasy satria isika moa rehefa samy malagasy no milaza hifampiresaka na miantso fifampiresahana dia lazaina fa tsy misy olana eto fa rehefa ny hafa dia hilazana atsanga tsy aman’orana. Tombontsoa no mibaiko ny fanaovana politika eto. Tokony ho henatra ho antsika izany! Isika samy malagasy ihany no tokony hitady ny vahaolana amoahana ny firenena amin’izao zava-misy izao fa tsy hoe rehefa misy vahiny mandalo dia tena mahatsapa isika fa misy krizy eto Madagasikara. Andao hitady vahaolana samy malagasy mba tsy hidirana anaty krizy vaovao indray! Manana raimandreny ity Madagasikara ity. Voalohany ireo FFKM ireo izay marina fa misy fironana koa anatin’ireo. Tsy azo odian-tsy hita izany fa fara-faha ratsiny mba vahaolana samy malagasy aloha. Tokony mba hitarina amin’ireo fiangonana zandriny ireo koa ny fitadiavam-bahaolana. Tsy azo tsinontsiniavina ireo. Manana isika ireo tena raiamandreny ara-drazana, tena Tangalamena fa tsy hoe izay mitafy lamba na mpisavi-tsaranga, tena apanjaka izay tokony hitambatra ireny rehetra ireny hitarika ny fifampidinihina raha izay no ahitana vahaolana. Ho mafy noho ny hatramin’izay, izany hoe 1972 hatramin’ny 2009, raha izao no misy krizy! Maika ny hirosoana amin’ny fifampidinihina na rahampitso dia rahampitso aza satria mandeha ny fotoana. Manodidina ny 27 tapitrisa izao no isan’ny vahoaka malagasy. Tsy kandida miisa 11 na 13 no hitsoaka ny mafana sy mangatsiaka eto, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby