airtel

Politique

18-févr-2025

Antoko politika Otrikafo

«Inona izany no mbola tsy hamaranana izao fitondràna izao?»

Sample post image

Maha be adihevitra ankehitriny ny raharaha mikasika ireo nosy any avaratr’i Madagasikara,

18-févr-2025

hoy ny antoko politika Otrikafo. Ny marimarina kokoa, hoy ny filohan’ny antoko, Elia Rabevahiny, dia famarotana tany, raha izay no azo ilazàna azy. Isany ny nosy Ankao, Mitsio, Sakatia, maromaro izy ireo fa ireo moa no voaresaka amin’izao fotoana izao, hoy izy. Tamin’ny fotoana niadianay ny amin’ny tokony hamerenana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara moa dia nisy nametraka hoe ity tany be ity aza tsy hitantsika izay hanaovana azy, tsy iadianareo ka nosy ary anaty ranomasina ary no iadianareo. Ny anay moa dia resaka fiandrianam-pirenena sy ny antsoina hoe «intégrité territoriale» na fiarovan-tanindrazana no nitondràna ny adihevitra. Mahagaga ankehitriny fa fantatra mihitsy izany izao hoe nosy misy mponina tahaka an’i Sakatia sy Mitsio no amidin’ilay mpitondra fanjakàna, aiza ary izany ianareo nanankiana tamin’ireny fotoana ireny no tsy mihetsika? Ny adihevitra amin’izao fotoana izao efa tonga amin’ny hoe fikasàn’ilay mpitondra fanjakàna hitondra herim-pamoretana any mihitsy analàna ireo mponina amin’ireo nosy ireo. Tafiditra anatin’ny antsoina hoe «atteinte à l’intégrité territoriale» na famarotana tanindrazana izany ataon’ny fitondràna izany ka inona izany no mbola tsy hamaranana izao fitondràna izao? Tadidintsika ny adihevitra tamin’ny taona 2008 raha tsy toy ny nataon’ny fitondràna Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao ankoatran’ny hoe fanapahan’ny FMI famatsiam-bola sy ny karazany? Ny resaka Daewoo no isan’ny nanafaingana ny fandrodanana ny fitondràna Ravalomanana tamin’izany fotoana izany. Amin’izao fotoana izao dia ilay fitondràm-panjakàna tarihin’i Andry Rajoelina mihitsy no mamarotra nosy misy mponina an-tsokosoko. Ilay olona miaro ny tanindrazany indray no gadraina fa tsy ilay olona mamarotra. Ilay olona mamarotra no tokony ho gadraina raha ny lalàna sy ny resaka zon’olombelona no resahana fa tsy ny olona mijoro miaro ny tanindrazany. Hiandry an’ity Madagasikara tanibe ity ho amidin’ny fitondràm-panjakàna ve isika vao hihetsika? Any amin’ny 260 any no isan’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ireo. Firy amin’ireo no efa tsy azontsika idirana intsony na tsy antsika intsony? Efa sady angalarinao ny harem-pirenena, ataonao ny trafikana volamena, andramena, sokatra dia izao izany mbola ilay tanin’ny malagasy amin’ny alalan’ireto nosy ireto indray no amidy. Sarotra ho an’ny fitondràna amin’izao no hametra-pialàna satria tombontsoany sy an’ny mpaniraka azy no arovany. Apetraka amin’ny olompirenena ny fanontaniana hoe tsy efa feno ve ny fepetra tokony hampitsaharana izao fitondràna izao, raha mijery ireo zava-misy rehetra ireo? Samy tomponandraikitra amin’izao tsy fihetezan’ny fiainam-pirenena izao isika rehetra. Tsy vitan’ny Otrikafo irery izany fa andao isika tsy hanao vain-drahalahy tsy maharary! Ny any avaratra no mety ho voan’izao androany fa rahampitso sy rahafakampitso mety ho ity tany be Madagasikara ity mihitsy no lafo. Izay ve isika vao hihetsika, hoy hatrany ny Otrikafo?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap