Elia Rabevahiny, tao anatin’izay 63 taona izay dia nanamafy foana fa tsy mbola manana izany fahaleovantena izany isika. Taloha, ho an’ny efa zokinjokiny, hoy izy, mahafantatra tsara ilay fomba fiteny hoe mbola sarin-dokotra ilay fahaleovantenantsika. Mbola mitana izay ny Otrikafo hatramin’izay ka hatramin’izao. Vao mainka nanamafy izany ny tranga mialoha kelin’ny 26 jona teo ny fahafantarana fa kay tsy malagasy ny filohantsika fa Frantsay dia vao mainka izany manamafy fa tsy mbola misitraka izany fahaleovantena izany isika. Nisy ny adihevitra hoe tsy tokony i Andry Rajoelina izay Frantsay no hisafo ny andian-tafika. Heverina ho toy ny hevitra ohatran’ny hevitra rehetra izany. Ny mpitondra fanjakana naneho fa nitotorebika ny vahoaka malagasy, feno hipoka ny kianja Barea Mahamasina. Izay ve no manala ny maha frantsay ny filoha? Tsia no valiny. Ao anaty fahantrana tanteraka ny vahoaka Malagasy. Zara aza misy andro indray hanadinoany izay fahasahiranana izay. Tsy dia mahagaga raha feno toy ireny ny kianja satria fety. Handoa vola aza atao ka mainka misy bojo! Tsaroantsika fa nisy fampiasam-bola na «investissement» nataon’ny mpitondra tamin’ny taon-dasa mba hamenoana ny kianja Barea ny 26 jona 2022. Tsy afaka hiteny isika hoe nisy na tsia izay tamin’ity indray mitoraka ity fa ny tiana ambara dia hoe fomba fanao izany rehefa misy hetsika na zavatra kely mba hahafeno hipoka kianja. Tsy voninahitra ho an’ny mpitondra fanjakana ny fahafenoan’ny kianja Barea. Marika iray maneho ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy ireny. Tsy azontsika adinoina koa anefa ny vokatry ny fanentanan’ny mpitondra fanjakana hanangan-tsaina fa vitsy dia vitsy ireo tokantrano nazoto nanangana izany. Midika izany fa miezaka mitady ny fomba hanehoany ny tsy fahafaliany amin’ny mpitondra fanjakana koa ny vahoaka malagasy. Mbola ezaka be ny hananan’i Madagasikara fahaleovantena. Vao mainka niharihary ny mbola maha zanatany Frantsay antsika tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy «gouverneur noir» ohatry ny fiantson’ny Frantsay ny mpitondrany aty Afrika intsony ny antsika fa tena Frantsay mihitsy ka mbola ezaka be ny hahazoantsika ny tena fiandrianam-pirenena. Tsy tokony hisy handrimandry manana aretina isika, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby