airtel

Politique

14-juin-2021

Politique

Antoko politika Otrikafo “Tokony hajanona ny fandraisana fanampiana amin’ny Frantsay”

Sample post image

Nivoaka iny ny didim-pitondrana frantsay nilaza ny hanaovana ny Nosy sambatra ho valan-javaboary frantsay faha 170,

14-juin-2021

 

 

hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo. Tsy dia mahagaga, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, iny fanapahan-kevitra iny satria efa nambaran’ny filoha frantsay tamin’ny fotoan’androny. Tsy nihemotra hatramin’ny farany izy fa ny manahirana dia ity fitondram-panjakana tsy andrenesam-peo ity taorian’ilay resaka hoe fifampidinihana teo amin’ny firenena roa tonta ny 18 novambra 2019. Tsy nihetsika firy ny fitondrana Malagasy afa-tsy zavatra miisa 2. Ny 1 dia ny fampanantsoana ny ambasadaoro frantsay teto amintsika taorian’ilay hoe “ici c’est la France” sy ilay fanohanana azontsika tamin’ny SADC. Miantso ny fitondram-panjakana ny Otrikafo mba hanao hetsika na valin-kafatra ataony manoloana ireny nataon’ny frantsay ireny. Averina foana hoe inona no manakana ny fitondram-panjakana Malagasy tsy hamoaka didim-pitondrana ilazana koa fa an’I Madagasikara ireo nosy ireo? Milaza hiady ireo nosy Malagasy ireo amin’ny frantsay ny fitondrana Malagasy nefa mbola mandray sy mangataka fanampiana aminy. Tokony hajanona koa ny fandraisana izany avy any. Misy ilay fivorian’ny Komitin’ny ranomasimbe indianina na COI atsy ho atsy ka manome sosokevitra ny fanjakana izahay noho izany hoe na giazan’I Madagasikara tanteraka ny fandraisana anjara amin’io hampisehoana amin’ny frantsay ny tsy fahafaliantsika na manatrika ihany fa resaka “lobbying” no atao. Ny SADC ary manampy antsika ka maninona ny COI tsy manampy raha matanjaka nefa akaiky antsika? Mikasa ny hanatona ny minisiteran’ny raharaham-bahiny moa ny Otrikafo ato ho ato hijerena ny tohiny. Ny fanapahana na “resolution 15-14” an’ny ONU dia mampahafantatra fa tsy tokony ho sarahana amin’ny tany avy nozanahana ny tany sy sombin-tany nananany. Mamono tena isika raha miheritreritra fifanandrinana ara-tafika amin’ny Frantsay satria ny olona izao efa miditra any amin’ny atao hoe “guerre bactériologique” ka aleo lanjalanjaina tsara ny paikady, hoy hatrany ny Otrikafo.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap