airtel

Politique

07-août-2023

Politique

Antoko politika PDCM Tsy mankasitraka ady an-trano

Sample post image

Ho fampiharana ny lalàmpanorenana mba tsy ho voafafa ao amin’ny rejisitry ny minisiteran’ny atitany ny antoko dia nisy ny fanavaozana ny birao hiasa mandritry ny 5 taona (2023-2028)

07-août-2023

eo anivon’ny antoko politika PDCM na antoko demokraty Kristianina eto Madagasikara. Ny filoha teo aloha Rapetera Désiré ihany no mbola nametrahana ny fitokisana ho filohan’ny antoko, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo ny sabotsy teo. Manan-karena i Madagasikara nefa mahantra ny malagasy, hoy ny antoko. Olom-bitsy no misitraka ny harena misy eto amin’ny tanindrazana. Tokony ny malagasy no hifehy ny toekarena fa tsy ny gasy vitsy sy vahiny. Ireo toekarena tokony ho fehezin’ny malagasy na harena an-dranomasina, harena ambonin’ny tany, harena ambanin’ny tany. Ankoatran’ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasa dia ilaina ny fanaovan’ny mpitodra trano fonenana ho zakan’ny fahefa-mividy, fanatsarana ny lalàna rehetra, ireo no vinam- piarahamonina takian’ny PDCM. Ny fahazoan’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ireo vokatra mandritra ny 5 taona, fitantana ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Ny fahasalamana tokony ho mamaimpoana, fanomenazana antoka ny fampianarana ho mamaimpoana avy amin’ny kitapom-bolam-panjakana, fananganana orinasa mba hananan’ny vahoaka asa mahavelona azy, fanampiana ny tantsaha, omena tany masomboly, trano fonenana amin’ny ofany mora, famitana ny lalana rehetra, fokontany kaominina, distrika, faritany, fifandraisan’I Madagasikara amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny angatahana amin’ny CENI dia ny fahaleovantenany. Ny PDCM tsy mankasitraka ady an-trano. Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalalam-pihavanana. Ny fahamarinana no manandratra ny firenana. Miantso ny Malagasy rehetra tsy hanamari-tena. Ny marina hamarinina ary ny diso dia disoina. Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny PDCM, hoy hatrany ny fanambarana.
J. Mirija
Légende: Ny filohan’ny PDCM
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap