Olompirenena Nampiraisin’ny Andraikitra tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison, fa miantso ny olompirenena handray andraikitra izy ireo. Fampivondronana ny malagasy tsy an-kanavaka, hoy ny filohan’ny Tolona, no atao mba hametraka mpitondra amin’izay satria izay mametraka no mibaiko. Hatramin’izay isika, hoy izy, dia nahita hoe mpitondra tsy napetraky ny vahoaka malagasy fa nividy ny vahoaka malagasy tamin’ny alalan’ny fanomezana no nahazo fahefana. Mpitondra tsy afaka hametraka rafitry ny toekarena hampandroso fiarahamonina izany. Tsy maintsy mitady mpitondra, noho izany, ny malagasy raha vonona hametraka rafitra politika hifidy rafitra toekarena mifanaraka amin’ilay fiarahamonina. Rafitra no olana eto amin’ity firenena ity. Miantso ny olompirenena tomponandraikitra rehetra izahay amin’ny 6 septambra raha vonona handrotsaka kandida. Afaka mandray anjara ianao na eto na any ivelany. Hisy laharan-tariby ho alefanay amin’ny tambazotram-pifandraisana samihafa hanaovany izay fitia tsy mba hetra izay. Raha mety aminareo ny fanovana rafi-pitsarana, rafi-panabeazana, rafi-pitantanana, rafitra amin’ny fananan-tany dia manana praograma miady amin’izany ny RCR. Ny mpikambana ato tsy misy manana zom-pirenena 2, tsy mbola nangalatra, azon’ny vahoaka malagasy atokisana fa tsy mbola nanota teto amin’ity firenena ity. Andao hametraka mpitondra fa tsy mpividy safidy, hoy hatrany izy ireo. J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby