airtel

Politique

15-déc-2022

Politique

Antoko politika Solide “Manentana ny rehetra tsy hifidy an’i Andry Rajoelina”

Sample post image

Ny 11 mey 2020 dia mbola nanamafy teo amin’ny mpiotifeon’ny France 24 ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny antoko politika Solide

15-déc-2022

Rainidina Rajoharison, fa antsika ireo nosy manodidina an’I Madagasikara. Septambra 2022 indray izy vao nilaza fa antsika ireo nosy ireo teo anoloan’ny firenena mikambana ary miandry ny fivoriana faharoa iarahana amin’ny frantsay. 3 taona izao no nilazan’io filoha io fa antsika ireo nosy ireo fa poakaty no azontsika mahakasika ireo nosy ireo. Be dia be ny nangatahana mahakasika an’ireo toy ny famoahana didim-panjakana milaza fa faritra faha 24 ireo. Hamoaka lalana fehizoro milaza fa antsika ireo koa tsy natao. Hanala ireo tafika frantsay ao koa tsy natao. Manentana ny olona rehetra izahay, noho izany, tsy hifidy an’I Andry Rajoelina satria tsy hahazoana ireo nosy malagasy io rangahy io. Manentana izay kandida rehetra hilatsaka eo koa mba hametraka ny fitakiana ireo nosy malagasy anaty praogramany satria fahavalom-pirenena izay tsy manao izany. Didier Ratsiraka no nitaky an’io ka namoahana ireny fanapahan-kevitry ny ONU ireny. Raha azontsika ireo nosy malagasy ireo dia ho foana ny fahantrana eto Madagasikara, hoy hatrany ny antoko politika Solide.
J. Mirija
Legende: Rainidina Rajoharison
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap