hoy ny filohan’ity antoko ity, Jean Louis Rakotoamboa, dia ka mahatonga ny firenena tsy ho mari-toerana dia satria ilay fitsipi-dalao mikasika ny demokrasia eto Madagasikara no tsy mety. Tsy mahay maka lesona, hoy izy, isika malagasy. Efa im-piry izay no tsy niarahana nanova izany dia miverina indray ny krizy. Ny taona 1972, nentin’ny olon’ny frantsay ny firenena dia nanongana ny filoha Philibert Tsiranana ny Vahoaka. Janoary izy nahazo vato tany amin’ny 85% tany. May 1972 izy niongana. Nanome vahana ireo mpanjanaja amin’ny fomba vaovao na “néocolonialiste” tsinona ny fitsipi-dalao. Nipoitra indray ny 1991. Nisy indray ny krizy satria mbola tsy natsaraina ny fitsipi-dalao dia niongana. Mbola toy izay ihany ny 2002, 2009, 2018. Tonga indray ity ny 2023. Miziriziry tsy hanamboatra fitsipi-dalao ingahy Andry Rajoelina satria mety aminy io. Fiodinana voalohany izy dia lany amin’io. Ao ambadik’izany foana ny frantsay satria manana tombontsoa be arovana eto ka mandrotsak’olona eo sy miaro ny olony amin’ny fifidianana izy. Tsy mety iainan’ny firenena intsony izao tsy fitoniana lava izao satria tsy mety ilay fitsipi-dalao. Efa betsaka ny mahatsapa izany izao na fiarahamonim-pirenena io na sendika na mpanao politika na FFKM na antenimieram-pirenena, izany hoe ny hery rehetra, fa ny mpomba an’i Andry Rajoelina sy ny forongony sisa no mandeha aty amin’ny fifidianana. Matoky tanteraka izahay fa efa tonga saina ny malagasy ka aleo aloha amboarina ny fitsipi-dalao mba tsy hifamonoana. Alefa avy ny fifidianana dia izay lany eo lolohavina an-tampon’ny loha, hoy hatrany ny antoko Teza.
J. Mirija
Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly
Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.
Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana
Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina