airtel

Politique

20-oct-2023

Antoko politika Teza

“Manao ny malagasy ho babakoto ingahy Rajoelina”

Sample post image

Anaty krizy politika tanteraka isika izao, hoy ny antoko politika Teza. Azo nosorohana izany,

20-oct-2023

hoy ny filohan’ny antoko, Jean Louis Rakotoamboa, raha nanaiky ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia ny fitondrana Rajoelina. Efa ela no niantsoana azy satria hita tamin’ny fifidianana 2018 fa aman’etsiny ny verindroa na “doublon”. An-tapitrisany ny kara-panondro tsy mandeha amin’ny tokony ho izy nangalaram-bato. Nilaza tamin’ny France 24 sy RFI indray ingahy Andry Rajoelina fa fitiavany an-janany no nakany zom-pirenena frantsay ary efa avy amin’ny raibeny no nandovany izany zom-pirenena frantsay izany. Hita mihitsy fa tena manao ny malagasy ho babakoto ingahy Andry Rajoelina. Laingana sy fitahana fotsiny izao. Ny takian’ny any ivelany raha hampiana-janaka any dia hoe aiza ny antoka na “caution” ampianaranao ny zanakao. Izay dia vita! Iza amin’ny malagasy no tsy hahafantatra fa manam-bolabe ahafahany miantoka ny zanany ingahy Andry Rajoelina? Na fara-faharatsiny raha tena mila “nationalité” na zom-pirenena hafa ny fianakaviany dia azony natao ny nanao “naturalisation” na fampiofoana ny zanany sy ny vadiny. Hanaiky be izany ny frantsay satria ingahy Sarkozy no nampiasa azy hanongam-panjakana raha ny nambaran’i Prezida Ratsiraka tamin’ireny raharaha 2009 ireny. Mba afaka nijanona ho malagasy izy raha izay no nataony dia afaka nilatsaka tsy nisy gidragidra. Ity izy tsy noterena tsy novozonana haka ilay “nationalité” no sady nafenimpeniny. Ny tena zava-doza nefa rehefa maka izany dia tsy maintsy misy sata soniavina sy hifanekena hoe tsy maintsy manompo an’i Lafrantsa ny olompirenena frantsay. Tsy maintsy miaro ny tombontsoan’i Lafrantsa ka na misy aza fifandonan’ny tombontsoa malagasy sy frantsay dia tsy maintsy ny an’ny frantsay no arovany aloha. Mba nitetateta izy nilaza hoe ho averina amintsika ny nosy manodidina. Nankatsy amin’ny Nosy Sambatra i Macron niteny hoe “Ici c’est la France!” ka haninona ianao? Ianao teratany frantsay, marenina ity vava! Vokany, lasa nandadilady tany Frantsa nifona. Tsy sahy nitaky intsony ireo nosy manodidina izy satria tsy maintsy miaro ny tombontsoa frantsay. Ny rosianina niteny tamin’ireny fivoriana natao tany Rosia izay nandefasana ny filohan’ny antenimieran-doholona sy ny minisitry ny raharaham-bahiny tany ireny hoe ianareo rehetra firenena mahantra maneran-tany, afaka manome zezi-bazaha maimai-poana anareo izahay! Ny rosianina manana solika dia afaka manao zezika simika isan-karazany. Tsy sahy naka tany ingahy Rajoelina sy ny forongony satria matahotra fatratra an’i Lafrantsa renimalalany. Raha tokony 1000 Ariary no vidin’ny zezi-bazaha eto, 6500 Ariary izy izao. Tantsaha farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany no mividy zezika farany lafo indrindra eran-tany. Aiza no hisy fampandrosoana vanona amin’izany? Ampahany kely fotsiny sisa no angovo antsika miasa amin’io JIRAMA io fa “groupe électrogène” an’i Henri Fraise sy ny tariny no mampandeha an’io. Frantsay ireo. Ny sinoa nefa manana “central solaire” na angovo avy amin’ny masoandro mora be. Santionany amin’ny maha zava-doza io fikirizan’i Andry Rajoelina izay frantsay mbola hitondra an’i Madagasikara ihany io. Miantso izay mahatsiaro ny tenany ho tena malagasy ny Teza mba tsy hanoa fitondrana frantsay intsony, izany hoe hanao “désobéissance civile” ho fandavana indray ny vahohon’ny frantsay, hoy hatrany ny antoko politika Teza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap