airtel

Politique

24-févr-2022

Politique

Antoko politika Teza “Miady an-trano ny fitondrana mafia”

Sample post image

Ny vinan’ingahy Rajoelina ny hoe : “Initiative pour l’émergence de Madagascar” dia tsy inona akory fa “Initiative pour l’émergence des mafieux”,

24-févr-2022

 hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Teza. Izay no miseho amin’ny andriny maro samihafa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’izy ireo, ny Dr Jean Louis Rakotoamboa. Ny fitondrana mafia amin’ny maha mafia azy dia io itantsika io izy miady an-trano, mikorontana ambony ambany satria ny ankamaroany dia tontakely daholo. Mangalatra, manao risoriso, mambabo ny fananan’olona sy ny sahala amin’izay. Tsy misy firaharahiana izany tombontsoam-pirenena izany mihitsy. Eo amin’ny lafiny vidim-piaianana, ohatra, dia misy izany daholo manerana izao tontolo izao fa voafehiny ny an’olona. Ny antsika eto aza manantena fa ho voafehin’ingahy Andry Rajoelina izany vidim-piainana izany satria eo amin’ny 90%n’ny fiharian-karentsika eto dia gejain’ny frantsay sy indo-pakistanais manana zom-pirenena frantsay. Tsy sahy manara-maso an’ireo minisitry ny varotra sy ny fanjifana. Raha jerena ny lafiny fandriampahalemana dia ahoana moa no isian’izany eto nefa izy mpitondra aza tsy mandry fahalemana fa mikorontan-dava ambony ambany? Tsy azo antenaina izany raha fitondrana mikorontana sy manakorontana toy io no misy eto.
FITSABOANA TSIZARIZARY, HAMPISEHOANA HADEDAHANA NY LOZA
Marina fa misy ny valanaretina io izay hitantsika koa ny zava-mamoha henatra tao anatiny amin’ny fanodinkodinana ny fitaovana iadiana amin’izany ka mahatonga ny olona mikaikaika. Tsy aman’alina fa andeha atao hoe amin’arivo no tratry ny tranga manahirana. Inona no tsy hahazakan’ny fanjakana ny fiantohana ny fitsaboana azy ireo maimaipoana? Mampalahelo ny eny amin’ny hopitaly fa ny fanampiana mba ataon’ny fanjakana dia vidina “compress”, alkaola, resaka madinidinika kely fa ilay olona marary tratran’ny tranga manahirana no miantoka ny rehetra ary aman-tapitrisa no laniny raha ho afaka. Marina fa misy ny rivodoza isan-karazany fa dia radedaka foana koa ny fomba iatrehan’ny fitondrana azy. Ilay tena fahavoazan’ny olona toy ny any amin’iny Vatovavy iny izao, izay efa in-droa nandalovan’ny rivodoza, nefa dia izay talaky maso ihany no enjehina sy mody hideraderana fa ilay fahavoazana lalina tsy misy mpijery toy ireny resaka madco sy kapisily ireny, hoy hatrany ny Teza. Tsy te hanome andraikitra an’ireo intsony koa izao tontolo izao noho ny fahitany ilay mafia eto fa dia voatery miditra an-tsehatra, hoy izy ireo, ka tompon-draharaha ny vahoaka ary anjarany ny mamerina ny fitondrana eo am-pelantanany satria tsy nifanarahana izany fitondrana feno fikorontanana izany ary mila mandray andraikitra hanova ny tantara izy.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny antoko politika Teza
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap