airtel

Politique

15-févr-2023

Politique

Antoko politika VAMI “Tsy vonona amin’ny fampihavanam-pirenena ny Filoha”

Sample post image

Tokony hisy ny fifampiresahana mialohan’ny fifidianana, hoy ny antoko politika Vahoaka miray na VAMI. Mila atao io na inona atao anarany ary andraisan’ny rehetra anjara,

15-févr-2023

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Gaby Vakiniadiana. Raha tena vonona amin’ny fampihavanam-pirenena ny filoham-pirenena dia ao anatin’ny fikaonan-doham-pirenena no ahitana ny atao hoe fampihavanam-pirenena. Raha tena vonona koa izy dia tsy nasiany EMMO nisakana ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, teny Ivato tamin’izy tonga fa navela nitsena azy ny vahoaka. Tsy vonona amin’ny fampihavanam-pirenena ny filoham-pirenena. Aza gaga raha be dia be ny tsy fandriampahalemana satria ilaozan’ny EMMO miaro fanjakana fa tsy miaro vahoaka. Ny safira nivoaka izay nolazaina fa tsy sarobidy avy eo no tokony nosakanana tsy hivoaka. Aiza izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny volamena nivadika korotam-by? Matoa ny fanjakana mbola mamoroporona mpanohitra sadasada dia tsy fampihavanana koa izay no maha vonona azy fa sinema na “mascarade”. Tsy tia tanindrazana angamba fa tia tany ngazana, hoy hatrany ny VAMI.
J. Mirija
Legende: Gaby Vakiniadiana
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap