airtel

Politique

07-juil-2021

Politique

Antoko Tia Tanindrazana Nanampy ny Althere Service info sy ny Anoka

Sample post image

Tontosa ny sabotsy 03 jolay 2021 teo ny fanampiana sy tolon-tanana nataon'ny antoko Tia Tanindrazana tamin'ny fikambanana iray izay misehatra amin'ny fampiofanana

07-juil-2021

ara-teknolojia sy fampianarana ny ankizy ao an-tananan'i Miarinarivo. Marihana fa ity Fikambanana ity dia tarihin'olona manan-kilema izay tsy manaiky ho resy fa miezaka hatrany ny hiotra sy handeha lavitra amin ny fiainana. Mitory sy mivoy fomba fijery ary samy mifantoka amin'ny fanabeazana sy ny fikirakirana ny teknolojia vaovao no ampitaina. Izany indrindra no nanosika ny antoko Tia Tanindrazana hanampy io fikambanana io satria tena mamporisika ny olona hiotra amin'ny fiainana ny toe-tsaina sy ny zavatra asehony. Tonga nanolotra ny fanampiana izay fampitaovana entina hampiroboroboana ny fampianarana ao aminy ny antoko izay notarihin'ny Sekretera Jeneraliny Atoa Schall Ramanantsoa ; ary nirary soa ho an'ny fikambanana mba hamokatra sy hitondra soa ho an'ny mpiara-belona, indrindra ireo tanora ao an-tanana. Efa an'arivony mahery ny ankizy nivoaka sy nokolokolina tao amin'ny fikambanana ary ahitana zavatra maro toy ny fianarana informatika, kabary, ny fanatanjahantena ao aminy. Finiavana sy fikirizana ary ny fijerena ny tanjona no banjinina raha te ho tafita, ary ao anaty faharetana avokoa anefa izany, hoy ny Antoko. Nirary ny fikambana Althere Service info sy ny Anoka ho tonga amin'ny lavitra indrindra ary ho loharanom-pahasoavana ho an'ny mpiara-belona ny antoko Tia Tanindrazana.

Toky R


 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap