anarana amin’ny lisi-pifidianana, raha ny fanentanana efa mandeha. Nilaza kosa anefa ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo fa, toerana akaiky làlana sy tsena, ka tsy azo hanaovana hetsika politika, ka tokony hafindra amin’ny toerana hafa. Tsy mbola nangataka toerana hafa anefa ny TIM hatramin’ny omaly atoandro tamin’ny 12 ora, ka nilazan’io tompon’andraikitra io, fa mbola manana 48 ora ahafahana mangataka alalana amin’ny toerana hafa. “Tsy maintsy mila fahazoan-dàlana foana na toerana tsy miankina aza. Tsy mitovy ny fepetra horaisina amin’ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-pivavahana mitaha amin’ny hetsika ara-politika, izay tsy maintsy jerena mialohan’ny hamoahana fahazoan-dàlana. Tsy izy no hanakorontana fa mety hisy ny olon-kafa avy any ivelanyy na “intrus” mety voakaraman’olon-kafa hanakorontana”, hoy ity jeneraly ity. Nambarany fa tsy mety etsy amin’ny Magro raha ny tokony ho izy satria mety hisy ny fanohintohinana noho izy akaiky tsena, làlana,… ka izay no nanakanana azy hatramin’izay, hoy izy. Hatramin’izay tsy nekena teo, raha toa ka tsy nisy sakantsakana teny amin’ny Magro Tanjombato, hoy hatrany ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo. Miverina mihamafy indray izany ny fanakantsakanana an’i Marc Ravalomanana sy ny TIM. Ny Filoha teo aloha izay vao nandefa taratasy tany amin’ny Praiminisitra omaly momba ny tokony hamelana azy ireo malalaka ka asa hoe: hisy valiny mahafa-po sa henoy izany ry hazon-damosiko. Tsy i Marc Ravalomanana irery, fa andro vitsy ihany koa izay no voasakantsakana i Maharante Jean de Dieu tany Toliara.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby