dia mafampana ihany koa ny toe-draharaha Antsiranana Renivohitra tao anatin’ny 48 ora. Nivoaka tamin’ny fahanginana raha tsy heno nandritra fotoana maro taoriany didim-pitsarana nanambara ny maha lany Ben'ny Tanana ao Antsiranana i Djaovojozara Jean Luc. Notsoriny tamin’ny alalan’ny horonan-tsary tamin’ny tambajotran-tserasera fa teo foana izy fa mbola miafina hatramin'izao noho ny fisian'ny didy fampisamborana azy na maty na velona fa na izany miasa ihany izy amin’ny maha Ben'ny Tanana azy, raha ny nambarany. Mbola nohamafisiny fa tsy ara-dalàna ny fanendrena PDS hoan'ny Tanan'Antsiranana ary efa misy “Requête” natao momba izany any amin'ny “Tribunal Administratif", ka tsy tokony hanan-kery ny taratasy fanendrena natao PDS izao. Nanaitra ny fanambarana nataony izay niantso filoha Rosianina Vladimir Poutine tamin’ny teny Rosianina, niantso ny tanora vonona hijoro hitaky ny rariny. Ny ampitson’io, omaly alatsinainy 10 febroary 2024, nijoro i Radovola Rakotobe mpampianatra ao amin’ny IST (Institut Supérieur de Technologie) ao Antsiranana, niantso ny vahoakan'i Diego teo anoloan’ny lapan’ny tanàna hijoro manoloana ny zava-misy sy izay nambarany ho tsy rariny ankehitriny. Nataony mivantana tao amin’ny kaonty Facebook-ny io izay nivantana avy teo amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga. Niantso ny vahoaka mba ho tonga hijoro hiaro ny safidin'Antsiranana sy hanohitra ny fanendrena ny PDS no voalaza ho antony, saingy fotoana fohy taorian’izay dia nosamborin’ny Emmo-reg ity mpampianatra ao amin’ny IST Antsiranana ity. Mafampana ao Antsiranana izay mandeha ny resaka hatreto fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fametrahana PDS tsy voafidim-bahoaka, ary manamafy fa Atoa Dzavojozara Jean Luc no niantefan’ny safidin’izy ireo tamin’ny isam-bato 65,71%, saingy nanendrena an’Atoa Tiana Edmond ho PDS.
POIZINA HO AN’NY FITONDRANA…
Asa izay hitranga indrindra taorian’ity fisamborana ity, fa vao mainka aloha hampiakatra ny maripana politika itony zava-mitranga any amin’ny Faritra itony, raha toa ka nangingina Antananarivo. Hampangina sy hampifitsaka ny vahoaka sa vao mainka mety hivadika zavatra hafa. Ankoatra ity any Antsiranana ity, dia mafampana ihany koa ny ao Vatomandry anatin’ny Faritra Atsinanana taorian’ny fanafoanan’ny Tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana ny vato azona kandida miisa roa an’ny RPR tarihin-dRtoa Sophie Ratsiraka dia ny tao Ambodinonoka sy ny tao Tanambao Mahatsara, ka nampandresena ny IRMAR. Na teo aza ny fisamborana dia naneho ny tsy hanaiky ny famadihana ny safidim-bahoaka ireo vahoaka. « Raha ny fitifirana no tian’ny mpitandro filaminana hatao hitifitra ny vahoaka dia mahasahia izy hatramin’ny farany, tifiro ary ny vahoaka satria ny vahoaka tsy azonareo sakanana, miaro ny rariny sy ny safidiny », hoy i Sophie Ratsiraka. Vao avy lasibatra i Roland Ratsiraka tamin’ny fifidianana nambarany fa feno hala-bato tao Toamasina I, ary io voa io ihany koa i Sophie Ratsiraka. Ho vanja milevina sy afo mipetraka eo an-tampon-dohan’ny fitondrana io toe-draharaha any Antsiranana sy ao Toamasina io ary na mety ho voafehy amin’ny basy aza, dia hipetraka ho otrik’ady ahiana hirefotra.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny