airtel

Politique

17-oct-2023

Antson'ny iraisam-pirenena

Manosika mankany amin'ny Fifanarahana politika

Sample post image

Manara-maso akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara ny sehatra iraisam-pirenena ka namoaka fanambarana

17-oct-2023

miendrika toromarika androany ireo masoivoho sy fikambanana iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara.

MANAMELOKA
Zava-dehibe , hoy ny fanambarana ny fanajana ny Lalampanorenana sy ny fahalalahana maneho hevitra. Miantso ny rehetra mba handala sy hanaraka izany, ary samy hahafehy tena .Manameloka ny tsy fanajana ny zon'olombelona toy ny fampiasana herisetra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary mamporisika ny hitohizan'ny fifampidinihana ahitam-bahaolana hisian'ny fifidianana madio sy mangarahara.

FIFIDIANANA AZO ANTOKA
Voarainay ilay daty vaovao ho an’ny fihodinana voalohany ho an’ny fifidianana filoham-pirenena hoy hatrany ny fanambarana ; fifidianana mangarahara, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara, ao anatin’ny fitoniana..izany hoe manarana ny fenitra iraisam-pirenena. Mba hahatongavana amin’izany dia mila antoka mazava tsara ny fahafahan’ny kandida tsirairay avy mivezivezy, ny fahafahan’ny olom-pirenena mivory am-pilaminana sy ny fitovian-jo eo amin’ny samy kandida mba ho eken’ny rehetra ny vokatra avy eo.

FUFANARAHANA POLITIKA
Nandritra ny fitondrana tetezamita (2009-2013) no nirotsaka mivantana nandamina ny krizy Malagasy ny vondrona iraisam-pirenena tamin'ny alalan'ireo fikambanam-paritra akaiky kokoa an'i Madagasikara dia ny SADC moa izany, eo koa ny vondrona Afrikanina.Samy nahatafidy tsara ny tantara ny rehetra fa niafarana tamin'ny fanasoniavana ny tondrozotra na feuille de route ny resaka ka maro be ny fifanarahana sy marimaritra iraisana tao, tsy tena hoe nampitovy hevitra fa izay aloha no nisy sy vita.Heverina fa tsy maintsy ho avy indray amin'ity indray mitoraka ity ny dinika an-databatra boribory mankany amin'ny fifanarahana politika.Ny alarobia sy alakamisy izao moa no fantatra fa ho avy eto Madagasikara ny iraka manokana avy amin’ny vondrona SADC, tafiditra ao anatin’ny dingana famahana ny krizy io dia io.

RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap