airtel

Politique

18-mars-2024

Asam-panjakana

Tsy sahy nampiato asa indray ireo adminisitratera sivily

Sample post image

Nihemotra tamin’ny fanapahan-kevitra hampiato ny asany ny 20-23 martsa izao

18-mars-2024

ireo adminisitratera sivily. Anton’io ny tsindry maro samihafa mahazo ireo solontenam-panjakana indrindra fa avy amin’ireo olom-boafidy. « Mbola manan-kery ny filazana rehetra natao ny zoma 15 martsa, fa misy ny indro kely, rehefa nifandinika dia najanona ilay fampiatoana ny asa nokasaina hatao. Rehefa natao ny dinika, dia mbola tsy dia tafita amin’ny ambaratonga ambony samihafa ilay fanapahan-kevitra ka ahato anatin’ny fanambarana aloha ilay tsy fiasana. Mbola misy zavatra hodinihana miaraka, ka aorian’izay angamba vao handinika hoe : inona no hatao, fa ny fanamelohana rehetra mikasika zavatra nanjo mikasika ny solontenam-panjakana sy ny adminisitratera sivily rehetra, dia tazonina », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny SYNAD Atoa Rabenandrasana Nicolas tamin’ny haino aman-jery. Raha hiverenana, milaza ho tratry faneriterena sy tsindry ary antsojay samihafa ireo adminisitratera sivily, toy ny: fanagadrana ny Prefen'i Toliara teo aloha izay namoizany ny ainy tany am-ponja mihitsy; fanagadrana ny Lehiben'ny Distrikan' Anjozorobe teo aloha izay mbola mamofompofona olom-boafidy ihany koa tao ambadika; fanagadrana ny Prefén'ny Mahajanga teo aloha izay miendrika antsonjay satria izy irery no nampidirina am-ponja raha toa ka ireo olona hafa nanao sonia sy nanatanteraka ny baiko ihany koa dia afaka; Ny antsonjay sy ny fanambaniana ny Lehiben'ny Distrikan'i Mahajanga faharoa, izay ataon'ny Solombavambahoaka; Ny fanenjehana sy fanendrikendrehana ary fandotoana ny Lehiben'ny Distrikan'i Soalala ho nanodikodina zaza tsy ampy taona ka namoronana dosie. Resaka fanolanana moa no naha voarohirhy an’io Lehiben’ny distrika io. Mbola vao haingana ihany koa ny famonoana tamin'ny fomba feno habibiana ny administratera sivily misotro ronono iray tao amin'ny Faritra Amoron'i Mania. Eo ihany koa ny antsonjay mikasika ny "abrogation politique" rehefa tsy mifanaraka amin'ny baiko sy ny adalan'ireo olom-boafidy sy mpanao politika sasantsany dia esorina amin'ny toerany ny solotenam-panjakana. Na izany aza, betsaka ihany koa ireo tranga maneho ny fipetrahan’ireo administratera sasany ho fitaovana politikan’ny mpanendry, ka fanontana mety hipetraka ihany koa ny hoe : tena hiady amin'ny tsindry bokatra sy antsojay marina ve aloha sa mifampiaro noho ilay "Esprit de corps" fotsiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap