airtel

Politique

08-sept-2023

Politique

Baolina politika Kandida 3 izao no niala an-daharana

Sample post image

Raha toa ka nisy ireo nisafidy mihitsy ny tsy hiakatra an-kianja mivantana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena tahaka an’Atoa Laza Razafiarison, Pasitera Mailhol,…

08-sept-2023

dia miisa 3 hatry ny omaly ireo nanambara ny fisintonany ny firotsahan-kofidiana. Efa nanao izany Rtoa Masy Goulamaly fotoana fohy taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana, ary niampy roa io omaly satria niala an-daharana Rtoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle izay sy ampy ny dosie. Nisintona ny azy ihany koa Atoa James Rasoamaka avy amin'ny Solidarité des jeunes Intellectuels pour l'Avenir de Madagascar (SJIAM) no kandida fahatelo tonga teny amin'ny HCC omaly 7 septambra 2023, nanatitra ny taratasy manambara ny faniriany hisintona ny firotsahan-kofidiny ho filoham-pirenena. Nambaran'i James Rasoamaka fa na tsy handray anjara amin'ny fifidianana filoham-pirenena aza izy ireo dia vonona amin'ny fiatrehana ny fifidianana eny ifotony, toy ny solombavambahoaka sy ben'ny tanàna. Ny HCC no tompon'ny teny farany amin'ny fanapahan-kevitra momba izany, araka izay voalazan'ny lalàna mifehy ny fifidianana, fa raha ny hita hatrizay aloha dia raha vao nahafeno fepetra dia tafiditra anaty lisitry ny kandida sy anaty bileta tokana, fa raha tsy feno moa ny dosie tonga dia tsy voaray ho azy. Tsikaritra ho efa mandeha ihany koa ny ankamely raha tarafina fihetsiky ny fitondrana!
Nangonin’I Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap