Raha diabe tamim-pilaminana tsy nisy korontana mitaky ny hisian’ny tany tan-dalana sy ny fifidianana eken’ny daholobe mantsy no nandrandrain’ireo niakanjo fotsy mpomba ny kandida miisa 11 dia nifanohitra tamin’izay ny zava-nitranga. Baoma lakrimozena tsy nifankahitana no nandrarafan’ireo mpitandro ny filaminana ireo mpanao diabe tamim-pilaminana izay tonga hatrany anaty tanana mihitsy ny heriny. Marobe tamin’ireo ankizikely nilalao tany an-tanana no voatery nosasana rano mangatsiaka araka izany ny lohany namonoana ny herin’ilay fofona mahery vaika tokoa. Nisy ihany koa ny zaza iray voalaza fa sempotra teny an-dalana izay nampitaraina fatratra ny Rainy tokoa. Tsy latsa-danja amin’izany ireo vehivavy sasany mpanohana ny kandida miisa 11 izay nisy naratra ihany koa ny tongony sy ny faritra tamin’ny vatany. Nilaza moa ireo mponin’Itaosy fa tsy maintsy mitohy ny tolona ho fanavotam-pirenena. Tsy ho amin’izao fiainana izao ihany hoy izy ireo fa ny ho avin’ny taranaka faramandimby mihitsy.
Pati Legende : Tao ny sempotra dia tao koa ny naratra !
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby