hoy ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Baomihavotse Raharinirina Vahinala omaly 13 jolay 2022. Nambarany fa mampibaby trosa goavana antsika sy ny toekarentsika ny tsy fampiakarana. Ankehitriny, milaza ny Fanjakana fa fa tombanana ho 1200 miliara ariary ny trosa amin’ny faran’ny taona raha tsy nampiakatra isika. Io 1200 miliara ariary io no tetibolan’ny ministera 30 anatin’ny herintaona, na ilay antsoina hoe PIP (Programme d’investissement Public). Mora lavitra noho ny ividianan’ny Fanjakana malagasy ny solika no amarotana azy amin’ny vahoaka. Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny raha atao teny tsotra. Iny ilay antsoina hoe “prix administré”, izany hoe vidiny tapahan’ny Fanjakana, mba hitsinjovana ny fahefa-mividy izay tsapa fa mbola marefo”, hoy io tompon’andraikitra ambony io. Ilay elanelana amin’ny vidiny ivarotana ny solika sy ny sarany no “subvention” ary omen’ny Fanjakana ny Vondron’ny Mpamatsy solika. Miala amin’ny tetibolam-panjakana isan-taona io. “Na mandoa trosa amin’ny mpamatsy solika isika, na manao fampandrosoana”, hoy ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Raha 100.000.000 litatra isam-bolana no filantsika Malagasy amin’ny solika, dia 55.000.000 litatra eo ho eo no amidy latsaky ny sarany, na mitondra lay sata hoe “prix administré”, amidy amin’ny Toby fivarotantsolika na “stations-services” manerana an’i Madagasikara, hoy ny fanazavana. Ampahatsiahivina hatrany fa ny volana may 2020, adihevitra be teto ny tsy fampidinan’ny Fanjakana ny vidin-tsolika na nitotongana ambanin’ny 10 dolara aza ny vidin-tsolika aza niainga tany amin’ny martsa 2020. Nolazain’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’izany fa manodidina ny 120 miliara Ar ny trosan’ny orinasan-tsolika amintsika, ka ho fanonerana an’io ny tsy fampiakarana, ary ny volana oktobra 2020 no tokony ho voahefa io, ary eo no mety hisy fikitihana ny vidin-tsolika. Tsy misy zavatra mangarahara sy fanazavana mazava taorian’izany, fa fandrirarirana no betsaka. Ambany ny vidin-tsolika tao anatin’ny roa taona ka mbola tsy nahatsentsina ny trosa noresahina ve? Ny volana febroary 2022 ihany koa no nanomboka ny ady tany Ukraine etsy andaniny. Hain’ny fanjakana ny mikajy ny trosa rehefa tsy mampiakatra fa tsy hainy ny tombony rehefa midina? Resahina ny hoe: na mandoa trosa na manao fampandrosoana. Andeha atao hoe: tsy nandoa trosa isika ny 2020-2021 fa ny fidinany iraisam-pirenena no nositrahan’ny orinasan-tsolika. Fampandrosoana inona no tena nandeha teto ary tao anatin’izany? Moa tsy nitotongana -7% latsaka kely ny fiakaran’ny harin-karena?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby