dia nanatona ny minisiteran’ny asa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Nitady an’ingahy minisitra izahay, hoy izy. Isika izao efa herintaona taorian’ny fahataperan’ny fifidianana solontenan’ny mpiasa tamin’ny 30 septambra 2023 no nitsahatra ny fifidianana solontenan’ny mpiasa eto Madagasikara, izay amoahana ilay fisoloan-tenan’ny sendika. Efa ho herintaona mahery hatramin’izao, 2 volana mahery koa ny fivoahan’ny vokatra vonjimaikan’izany fisoloan-tenan’ny sendika na “représentativité syndicale” izany, fa mbola tsy mivoaka foana ilay didim-panjakana. Nametraka taratasy fitakiana ny famoahana malaky izany didim-panjakana izany moa izahay fa tsy tao ny minisitra. Mikatso daholo ny raharaha rehetra mikasika ny fiahiana sosialy noho io antony io satria io no hahafahana manendry ny solontenan’ny mpiasa amin’ireny AMIT, Fuhneces, OSTIE ireny. Ho hamafisinay ny hetsika rehefa tsy handray fepetra ny minisitera, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby