airtel

Politique

26-janv-2023

Politique

Barson Rakotomanga “Nofitahin’ny fahaizany ny minisitera tamin’ity”

Sample post image

Misaotra ny minisitry ny asa sy fampananan’asa, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga,

26-janv-2023

niteny hoe tsy hisy ny fidinan’ny karaman’ny mpiasa. Izay koa, hoy izy, no lalana. Mijery ny andininy faha 11 amin’ny fehezan-dalana momba ny asa isika dia hita ao fa isan’ny tsy azo ahena ny karama. Namafisin’I ramatoa minisitra ilay didim-panjakana ny 21 jolay 2022. Ilay 626-2022 iny milaza fa 250.000 no karama farany ambany eto Madagasikara. Ny mampiahiahy kely dia hoe ramatoa minisitra miaraka amin’ny minisitry ny vola sy indostria namoaka ny 21 septambra fa manokana na “exceptionnel” ny karama farany ambany amin’ity taona 2022 ity. Tapitra izany ny 2022 dia efa tsy izay intsony indray fa ilay 217.000 Ariary nefa no misoratra ao anatin’ilay tovana nomen-drizareo. Tovana mifanaraka amin’ilay 217.000 Ariary iny fa tsy 250.000. Nanara-maso teny anivon’ireo orinasa izahay. Ny soratra any amin’ny taratasin-karaman’ny mpiasan’izy ireo dia hoe karama fototra 217.000 ary famatsiana avy amin’ny fanjakana 33.000 Ariary. Tsy karama no dikan’izany ilay 33.000. Eo no tena manahirana satria mampahatsiahy foana izahay fa ilay 217.000 Ariary no lany tany amin’ny CNT ny volana may. Rehefa niresaka manokana tany ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina dia nanaiky izany 250.000 Ariary izany. izay no nahatonga an’iny nivoaka ny 21 jolay. Any amin’ny tambazotran-tserasera any hoe nivory ny GEM, FIVMPAMA, CTM, izany hoe, ny vondron’ny mpampiasa sy sendika sasantsasany dia hoe ampiakarina 10% ilay 217.000 dia lasa 238.000 Ariary. Mbola mangataka ny hanohizana ilay famatsian’ny fanjakana moa zareo. Tamin’io 23 janoary io ihany izay no nametraka taratasy mazava tany amin-dramatoa minisitra hoe ny didim-panjakana ny 21 jolay no manan-kery aminay. Didim-pitondrana izany tsy manitsaka didim-panjakana. 250.000 Ariary no tokony ho karama farany ambany amin’ity 2023 ity no fantatray. Tsy mila famatsian’ny fanjakana izahay satria ny mpampiasa no nanaovanay fifanarahana. Ny mpampiasa no tokony hizaka ilay 250.000 Ariary rehefa nifanaraka teny Iavoloha. Tokony tsy nanaiky izy raha tsy afaka handoa an’io. Nofitahin’ny fahaizany ny minisitera tamin’ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap