airtel

Politique

31-août-2022

Politique

Basy aman-tafondro Misy fetrany, tsy maharesy herim-bahoaka…

Sample post image

Rava ny Fanjakana tao Ikongo omaly, nisafidy ny hitsoaka ireo manam-pahefana isan-tsokajiny: zandary, polisy, mpiandry fonja,…

31-août-2022

Niitatra tamin’ny havan’ireo 4 nahiana ho nahavanon-doza tamin’ny famonoana vehivavy iray sy naka ny zanany izay zaza varira ny raharaha. Olona 2 noho izany no matin’ny fitsaram-bahoaka, raha toa ka nentina nandositra kosa ireo 4 notakian’ny olona hatolotra azy. Sambany teo amin’ny tantara no nisy an’izany hoe: lasa nandositra ny mpiandry fonja, hany ka nivoaka ireo gadra manodidina ny 200. Ny 6 izay na naratra na nifatotra sisa tavela tao. Nandeha ny feo fa hisy hanafika ny fonja, hany ka dia nisintaka nanavotra ny ainy ireo mpiambina. “Tonga namaky ny fefin’ny fonjan’Ikongo vita amin’ny fanitso ireo andian’olona mpikomy, ka nanery ireo voafonja hivoaka ny toeran nitazonana azy ireo. Tsy nisy ny fanoherana nataon’ireo mpiandry fonja araka ny toro-marika azon’izy ireo. Marihina fa fonja vonjimaika izay natao tamin’ny fefy fanitso no nisy azy ireo, noho ny faharavan’ny fonjabe nandritra ny rivodoza Batsiray. Ary tsy nisy voafonja nitsoaka tao anatin’izay fotoana izay na dia efa nafindra in-telo aza izy ireo, noho ny fandraisana andraikitra nataon’ireo mpandraharahan’ny fonja. Efa manomboka miverina tsikelikely eny anivon’ny fonja vonjimaika nitazonana azy sy ny tomponandraikitra ireo voafonja amin’izao fotoana izao, ary manomboka milamina ny toe-draharaha any an-toerana”, hoy ny tatitry ny Minisiteran’ny fitsarana omaly tolakandro. Raha ny vaovao azo omaly atoandro, 15 amin’ireo gadra nivoaka no niverina. Niandry ny “renfort” na mpitandro filaminana fanampiny sy ny manam-pahefana ambony avy aty Antananarivo notarihin’ny Praiminisitra vao nilamindamin-dratsy ny raharaha. Maneho izany, fa rava tanteraka ny fahefam-panjakana tao an-toerana, nila hery avy any ivelany nandamina. Ireny zava-nitranga tany Ikongo ireny, dia maneho fa mafy izany herim-bahoaka izany, tsy misy maharesy vahoaka. Marina fa mety mahery ny basy aman-tafondro matoa misy ran’olona latsaka maherin’ny 20, saingy ao anatin’ny fotoana fohy izany. Rehefa tena tezitra sy mampiasa ny heriny io vahoaka io, ho sarotra ny fandehan-draharaha, ka asakasaky ny mpanao politika mitazona ny fahefana izay mbola miantehitra amin’ny basy aman-tafondro. Efa firifiry izay mpitondra nihevi-tena ho mafy sy matanjaka niantehitra tamin’ny fanaovana fitaovana politika ny tafika, saingy niaraha-nahita ny niafarany. Mbola tsy nahazo lesona foana ve ?
Toky R 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap