fa manamafy ny fiaraha-miasa sy fanohanana hatramin’ny farany ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izy ireo amin’ny fijerena manokana ny faritr’Androy. Maneho ny mbola fahavononanay hiara-hiasa hatramin’ny farany amin’ny solombavambahoaka sady kestora voalohany, izay mpandrindram-paritra ny antoko TGV aty amin’ny faritra Androy, Henry Jean Michel, izay sady olon’ny fahatokisana, manana fahendrena ary tsy mbola nivadika tamin’ny filoham-pirenena koa izahay, hoy izy ireo. Amin’ny maha raiamandreny anay ato amin’ny kaominina tsirairay izay iadiadianay, mpitazona hazomanga, mpandrindra fiarahamonina aty ifotony dia mahatsapa izahay fa tsy rariny intsony ny fanalambaraka sy ny fanaratsiana ny raiamandreny kestora voalohany izay ataon’ny depiote Milavonjy, izay zatra manevateva raiamandreny toy ny filoham-pirenena, lehiben’Antoko, lehiben’ny faritra, governora sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny tany sy ny firenena. Manameloka fatratra izany fihetsika tsy mendrika no sady mivaona tanteraka amin’ny kolontsaina sy fomba amam-panao aty Androy izany izahay ben’ny tanana maro an’isa, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby