airtel

Politique

22-juin-2023

Politique

Ben’ny tanànan’i Talatamaty « Mangaraharaha ny fiasanay, tohanana hatrany ireo tantsaha »

Sample post image

Ahitana taratra ny fahaiza-mitantanan’ny mpitondra na mpitantana iray ny fahaizany manilika ny trosa tokony aloha ara-potoana sy ny fananany ambim-bava.

22-juin-2023

Maodely tsara alain-tahaka amin’izany ny kaominina Talatamaty, tarihin’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic. Hatramin’ny volana Janoary taona 2020 nitantanany ity kaominina ity mantsy dia mbola tsy nisy karaman’ny mpiasa tsy voalohany izany tao amin’ny kaominina. Nambarany fa voaloha mialoha mifanohitra amin’ny fotoana hifanomezana mihitsy aza izany ho fitsinjovana ny mpiasa. Miisa 190 isam-bolana anefa ireo mpiasan’ny sy tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina tsy maintsy handoavan-karama ka ny 130 isa mpiasan’ny kaominina, ny 48 kartie mobila, raha 12 kosa ireo sekretera ambiny. Tamin’ny fotoana nidiran’ity Ben’ny tanàna ity nandraisany ny fitantanana moa raha tsiahivina dia efa namantana karaman’ny mpiasa roa volana tsy voaloha ny tenany saingy nahitany vahaolana hatrany izany. Tontosa omaly ny foaram-bokatra fanao isan-taona teo anivon’ity kaominina ity. Tanjona ny hahafahana mamporisika hatrany ireo tantsaha mpamokatra 60% mba hamokatra hatrany hahafahana miady amin’ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo.
Pati
Legende : Mikatsaka ny hampandroso ny faritra hiadidiany hatrany ny Ben’ny tanàna Elie Dominic
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap