Tsy mety intsony ny fipetrahana ny fitantanan’ny governora eto amin’ny Faritra Bongola. Mangataka ny Filoha hijery sy hanolo faran’izay haingana io tompon’andraikitra iray io fa mijaly ny olom-boafidy sy olom-boatendry ato amin’ny faritra”, hoy Ben’ny tanàna Tsiroanomandidy Atoa Razafindredohy Mananjara Jaona. Nanam-paniriana izahay mba hampiseho ny herinay, ny vahoaka efa niandry fa eny amin’ny tranompokonolona ny fotoana. Tsy nomena alalana fa manararao-pahefana io governora io. Fa nahoana ianareo nanao hatramin’izay tsy niteny izahay?”, hoy hoy izy ny sabotsy teo.. “Mangataka izahay, esory izy Atoa Filoha fa tsy hahavita na hitantana ny fifidianana amin’ny 09 novambra aza, ary tsy hampandany anao no hahatongavany eto fa hametraka ny politikany sy hanao izay hahafeno ny paosiny", hoy ity ben’ny tanàna voafidy tao amin’ny Renivohitr’I Bongolava. Notsipihiny ihany koa eo anatrehan’ny ambarany fa fanasoketana azy, fa mazava ny fitantanam-bola, misy ny mpanara-maso amin’ny alalan’ny mpanolon-tsaina monisipaly izay “organe délibérante”, ny Fanjakana no mitantana ny vola izay miditra anatin’ny Kaominina, izay any amin’ny tahirimbolam-panjakana. Any no manontany an’izany, tsy ny ben’ny tanàna no mitantana vola, ary misy rafitra manara-maso izany, hoy izy.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby