tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Betsaka ny tsy voafehy Miha mafy ny ady an-tranon’ny samy mpitondra

Miharihary ny zava-misy amin’ny ady an-trano sy ny lonilonin’ny samy mpitondra. Efa miseho masoandro sy vaky am-batolampy raha tarafina amin’ireny fihetsiky ny depiote IRD sasany eto Antananarivo sy tany amin’ny faritra hafa

16-févr-2023

Sample post image

ireny. Ao ny manakiana mivantana eny amin’ny haino aman-jery fa misy minisitra tsy manjary fa manaratsy endrika ny Filoha. Tao ny nidina an-dalambe mihitsy mitaky fialana olom-boatendry, nahitana izany teto Antananarivo sy tany Bongolava. Vao ny herinandro teo nanamarihana ny famonoana an-dRatsimandrava aza, dia ireny niaraha-naheno ireny ny fanambaran’ny depiote Rossy fa misy olona manaratsy endrika ilay Filoham-pirenena ka esory tao, esory izay manelingelina,… Tonga hatrany amin’ny hoe: avelao halalaka ny hetsika politika sy fidinanana an-dalambe fa aza asiana fitaovam-piadiana mahafaty, manao ny asany mpanohitra fa izahay mpanohana ny filoha voahelingelina,… Tany aloha, dia efa nisy depiote mpiara-dia amin’ny fitondrana natao tsakin’ady rehefa naneho fa tsy laharam-pahamehana ny teleferika, nenjehina tamin’ny filazana fa misy mivaro-janaka noho ny fahantrana sy hanohanana,… Matoa ireny rehetra ireny vaky am-batolampy tahaka ireny, efa tsy voalamina intsony. Vita no nampiantso ireo depiote sy nanome baiko mba hanemorana indray ny fitsipaham-pitokisana tamin’ny desambra 2022 koa nahoana no tsy voalamina tao anatiny ireo disadisa adilahin’ny olon’ny fitondrana? Matoa tonga amin’izao, efa betsaka ny zavatra tsy voafehy intsony ao anaty Fanjakana. Tsy resaka olom-boafidy sy olom-boatendry ihany, fa manomboka maro ihany koa ny sosotra eo anatrehan’ny tsy fahaiza-mitantana miseho amin’ny endriny maro. Tena efa tonga amin’ny teboka farany sy ny farany takany ny fitondrana Rajoelina matoa ny ao anatiny aza efa tsy dia milamina firy intsony. Ny olana, tsy sahy tena manapa-kevitra satria tsy teo ho ratsy, hany ka ilay fitondrana mihitsy no efa milentika tsimoramora. Ny mpanohitra sy ny mpifandrina efa fantatra foana, fa ny tena poizina dia ny hoe: avy ao anatiny no efa maro no sosotra. Mbola hirisika hanohy 5 taona manaraka indray ve amin’izao efa mena izao ny tondro rehetra? Ny olana anatin’ny fitondrana aza tsy voalamina ka atao mahagaga ve raha ny firenena mihitsy no lasa milentika noho ny tsy fahaiza-mitantana
? Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus